Samy zanatany frantsay izao ihany

Madagasikara sisa no tena taraiky


  • Zoma 12 Janoary 2024

Mahavita mandany 760 tapitrisa Euro handraisana ny CAN na

tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra izay hanomboka rahampitso 13 janoary ankehitriny i Côte d'Ivoire. Antsoin’ireo mpamakafaka toekarena hoe "dragon de l'Afrique de l'Ouest" moa amin’izao fotoana izao ity firenena ity sy i Sénégal noho ny fivoarana ara-toekarena hita ao amin’ny firenena roa tonta. Samy firenena zanatany frantsay taloha niaraka tamin’i Madagasikara izao ihany saingy i Madagasikara sisa taraiky, raha tsorina ny fomba filaza azy. Mampametra-panontaniana hoe mbola mitombina ve ilay teny hoe "tsy misy zanatany frantsay mandroso izany", hoy ireo mpanara-baovao? Côte d'Ivoire tsy nanao ohatran'i Mali na Burkina Faso na i Niger. Sao dia mba ilay fomba fitantanana, karazana halatra sy kolikoly no tsy maha tafavoaka an'ireo zanatany frantsay sasany fa ohatran'i La Frantsa foana no lazaina fa mampahantra an'ilay firenena, hoy hatrany ny fanontaniana isan’ny mipetraka? Na ireo nosy rahavavin’i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe indianina izay nitsiriritra ity firenena ity fahiny sy azo lazaina hoe naka filamatra azy tamin’izany fotoana aza moa dia zary lasa saika fitsoaham-ponenan’ireo malagasy te hitady fiainana tsaratsara kokoa noho ny eto daholo ary ny tena nampalahelo tato anatin’ny 5 taona farany fara-fahakeliny dia na ireny rendrika an-dalana nahafaty olona maro ireny ny sambo nitondra azy ireo an-tsokosoko na naverin’ireo firenena nidirany an-tsokosoko taty an-tanindrazana ireo malagasy mba nikasa hanao izany. Maorisy, Kaomoro, Maioty, Seisely, Maldive, La reunion, iza amin’ireo izany sisa izao no mety mba maka filamatra an’ity nosy malalantsika ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT