Politique

Samy manana ny manahirana azy Kere any Ikongo, revy be tany Nosy Be


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Sary isan’ny nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny kere sy ny fahoriana tsy roa aman-tany mahazo ny mponina any Ikongo andaniny, ary ny fampisehoana ny fety aman-danonana notarihin’ny Filoham-pirenena tany Nosy Be

ankilany. Nampihetsi-po ny maro ny sarina zazakely taolana mifono hoditra notrotroin-dreniny, ankoatra ny tranga herinandro mahery lasa izay dia ny 27 oktobra nisiana olona 4 torana teo am-piandrasana fizaram-bary. Tahaka ny tontolo roa samihafa mihitsy, fa tsy firenena iray no resaka, raha ampitahaina amin’ny fihetsiky ny Filoha mivady tany Nosy Be nanapoaka champagne, manao fiainana, mandany vola,… raha toa ka efa tena loza mihatra kosa ny any Ikongo. Marina fa mety tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana sy famahana ny olan’ny firenena ary tsy finiavana hisintona lakolosy, saingy indrindray toa lasa miteraka heso ho an’ny andaniny ny fihetsika ataon’ny ankilany. Zo fenon’ny Filoha mivady ny mitokana zava-bita, manao fety aman-danonana, maneho fa miasa,… saingy tsara ny manamarika fa tsy antoko na fokontany iray no tantaniny, fa firenena manontolo,… ka izy no iandronan’ny rihitra vao misy zavatra tsy mety. Izy no iantefan’ny fanakianana voalohany eo anatrehan’ny tsy fivahanan’ny olana samihafa etsy sy eroa. Ity Fanjakana ity rahateo no isan’ny nitaiza ny olona hidoka lava ny Filoha. Voadingana ny rafitra sy antanan-tohatra rehetra fa ny Filoha no mila deraina sy omem-boninahitra lava, ka dia izy izany no tokony hijery mivantana sy hamaha itony olana goavana momba ny maha olona any Ikongo itony, rehefa tsy hizara asa sy fahefana hanafainganana izany ny tenany. Matetika mampiady hevitra na miteraka “polémique” ny fihetsika sy zavatra ataon’ny Filoham-pirenena, ka asa na mba tsapan’ny mpitondra ihany izany na tsia. Misy ny vina mety tsy voadinika sy tsy voalanjalanja, ao ny fitondran-tena sy kabary indraindray mihantsy sy mampisara-bazana,… Isan’ny adidiny voalohany, ary voarakitry ny lalàmpanorenana anefa ny fiantohana ny firaisam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT