Mbola mahalasa saina mpanara-baovao samihafa
eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny fahasahian’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina nilaza farany teo fa malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Ny antony voalazany tamin’izay fotoana izay moa dia hoe misy fifidianana toy ny fifidianana loholona, izay handraisan’ireo mpifidy vaventy atsy ho atsy anjara eto. Namaly azy tamin’io fotoana io ny avy eo anivon’ny Transparency international fa tsy voafaritra hatreo amin’ny resaka fifidianana ihany ny atao hoe demokrasia fa isan’ny tokony jerena indrindra koa ny hoe malalaka ve ny sehatra ahafahan’ireo olompirenena tsirairay hevitra? Ampy ve? Malalaka amin’ny fidinana an-dalambe hanehoany ny tsy fahafaliany ve ireo olompirenena ao amin’ilay firenena na faritra? Tsy misy fisambosamboràna olona fahatany ve ao rehefa tsy mifanaraka amin’ny heritreritry ny mpitondra ny fanehoan-kevitra ataon’ireo olompirenena, na mpanao politika io na fiarahamonim-pirenena na iza na iza? Samy manana ny demokrasia malalakany tokoa angamba no azo ilazàna azy satria raha ny tranga vaovao mahakasika izay lafiny demokrasia sy fahalalahana maneho hevitra tato ho ato izay indray aloha, na dia vao tsy ela akory aza no nomarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny demokrasia, dia hatramina lohahevitrana fandaharana raràna, hita ho nianjady tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray izany ny faran’ny herinandro teo. Iny koa tany Imerintsiatosika fa nalaza ny hoe hatramin’ny sorabaventin’olona sintonina. Tany Toliara moa dia nisy namoy ny ainy mihitsy noho ny antony voalaza fa resaka fiarovany ny tanindrazany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.