Nisavorovoro tao Sambava omaly. Tsy nanaiky ny hamerina ny fitanana an-tsoratry ny fifidianana Loholona natao omaly ireo mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato raha tsy naloa avy hatrany ny tambinkaraman’izy ireo.
Nitokona teo anoloan’ny biraon’ny CENI ao Sambava izy ireo nitaky izany. Nampanantenaina izahay raha nofanina, hoy ireo mpikambana amin’ny BV fa homena avy hatrany ny vola ka tazominay amin’ny teniny ny CENI, fa tsy misy andraso andraso. Nampanantena ny mpiandraikitra ny CED fa anio alarobia vao azo ny vola, ka haloa. Tsy nilefitra ireo voakasika fa dia hitohy anio ny fitakian’izy ireo, ka azo ny tambin-karama vao homen’izy ireo ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.