Sambany tao anatin’ny 60 taona

Propagandy nanosihosy demokrasia indrindra


  • Alarobia 15 Novambra 2023

Mbola tany amin’ny antsoina hoe propagandy mialohan’ny fotoana na “précampagne”

no efa tsy voahaja ny antsoina hoe fitovian’ny fahafahana omena ireo kandida ho filoham-pirenena malagasy na “égalité des chances”. Ny ankamaroan’ireo kandida saika velon-taraina rehefa tsy navela hanao hetsika an-kalamanjana, eny, fa na dia tanaty trano aza dia mbola niharan’ny sakantsakana tamin’ny endriny maro ihany. Isan’ny velon-taraina tamin’izany moa ny kandida laharana voalohany na n°1, Tahina Razafinjoelina. Ny heverina fa kandidam-panjakana, dia ny kandida n°3 kosa, tetsy ankilany, dia navela nalalaka nivory tamin’ny toerana rehetra tiany aleha. Nihorohoro, indrindra, ara-tsaina ny olompirenena mahita isan’andro ireo heverina fa mpitandro filaminana mameno ny tanàna hanakana ny olompirenena maneho hevitra fa tsy mba hoe hisambotra mpangalatra na mpamono olona. Ireo olompirenena indray aza moa no niharan’ny ratra sy ny vono. Anaty vanim-potoanan’ny propagandy, araka ny namaritan’ny HCC azy indray, no vao mainka miraradraraka amin’ireo milaza azy ho mitaky fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra ny baomba mandatsa-dranomaso sy mandratra. Mamaky ara-bakiteny ny vavan’ny olona maneho hevitra mihitsy aza moa, amin’ny alalan’ny fitifirana mivantana na ilay antsoina hoe “tir à bout portant” ireo dradraina sasany ho miaro ny vahoaka sy ny fananany. Misesisesy ny kisambotsambotra olona maneho hevitra tanaty vanim-potoanan’ny propagandy ary anatin’izany vanim-potoana izany no mbola ahenoana tomponandraiki-panjakana sahy milaza hoe ho enjakenjanina ny fepetra fitandroana ny filaminana. Fitandroana filaminana tokoa ve sa fitandroana fifidianana maloto, araka ny fanahian’ny hetsik’ireto kandida miisa 11 ireto? Sambany tao anatin’ny 60 taona, araka izany, raha fehezina ny fanamelohana maro na avy amin’ireo herivelona anatin’ny firenena na iraisampirenena, no nisy propagandy nanosihosy demokrasia indrindra toy izao teto Madagasikara. Asa na hanao ahoana ny rahampitso 16 novambra sy aorian’izay?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT