Politique

Sakoroka Anosy, Ankolafy 3 teny Anosy : 4 naratra, 2 nosamborina


  • Zoma 22 Janoary 2010

Raha eo an-dalam-pifampidinihana miaraka amin’ireo ankolafy malagasy tetsy amin’ny hotely Carlton ireo mpanelanelana iraisam-pirenena tarihin’Ingahy Jean Ping, dia raikitra ny tifitra lakrimozena sy grenady tety ivelany.

 

Tamin’ny 2 ora sy sasany teo ho eo no nipoaka ny lakrimozena voalohany, nanaparitahan’ny miaramila ireo vahoaka tonga teny an-toerana tamim-pilaminana. Ramatoa iray no lasibatra voalohany, teo anoloany mihitsy no nanapoahan’ireo herim-pamoretana ny lakrimozena. Tsy afaka nihetsika teo ity raiamandreny satria niandry ny zafikeliny, raha ny fanazavany. Valy boraingina sy fandroahana tsy nisy fanajana anefa no nasetrin’ireo mitam-basy. Tsy ireo vahoakan’ny ankolafy 3 ihany no lasibatry ny lakrimozena mahery vaika sy voaroaka omaly fa hatramin’ireo rehetra niandry fiara fitaterana nanoloana ny radiom-pirenena. Tsy azo nifanazavana ireo mpitandro ny filaminana mitam-basy fa dia amboletra sy teny mahery no nasetrin’izy ireo ireo olona niezaka nanazava. Tamin’izany moa no nilazana mpitandron’ny filaminana fa “aty aminay aloha izao ny hery”. Nanoloana izany fifandirana izany, dia nisy tamin’ireo vehivavy voton’alaelo mafy ka latsa-bava fa “mba natera-behivavy ihany ianareo”. Ankoatra io renibe io, dia nisy koa olona 4 hafa naratra, ka ny iray ankizy. Nisy ny nilatsahan’ny lakrimozena teo amin’ny fitombenany, nisy ny teo amin’ny hatony. Nentina notsaboina avy hatrany  teny amin’ny hopitaly Hjra ireo naratra ireo. Ankoatra ireo naratra dia nisy lehilahy iray koa nosamborin’ireo be basy. Tsy nanaiky ny renin’ity tovolahy ka dia nanaraka ity menaky ny ainy. Tsy vitan’ny teo Anosy sy ny manodidina ny fanejehana nataon’ireo miaramila fa tonga hatrany Ampefiloha. Nahasadakaitra ny rehetra ihany ny trangan-javatra omaly satria samy tsy nisy nahafantatra fa tsy azo ipetrahana na koa ijoroana eny Anosy raha tsy omaly. Tsetsatsetsa no ilazana fa tsara raha hapetraka mazava ho an’ny vahoaka izay toerana tsy azony aleha hisorohana ny faharatrana noho ny tsy fahalalana.
Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT