Politique

Sainam-pirenena Tsy dia mandeha ny tsena


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Afaka herinandro eo ho eo dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona isika.

Ny zavatra hita sy mahavariana eny anivon’ny fiarahamonina eny anefa dia mbola vitsy ireo tokantrano tazana manangan-tsaina. Iray ao anatin’ny 20 izany raha misy, indrindra fa ny eny amin’iny faritra Atsimondrano iny. Samy manana ny antony mahatonga izany ny tsirairay amin’ny ankapobeny. Ao ireo tsy manana fahafahana ny hividy sainam-pirenena mihitsy izay manomboka amin’ny 5.000 Ar ny vidin’ny iray eny an-tsena ka hatramin’ny 20.000 Ar. Ny fitadiavana ny hanin-ko hanina aza manahirana hoy ny sasany. Ny sasany indray kosa efa leo sy tofoka ny amin’ny fahasahiranana entin’izao fitondrana mijoro izao eo amin’ny fiainany ka aleony tsy manangan-tsaina mihitsy. Marihina fa misy fiantraikany amin’ireo mpivarotra sainam-pirenena mandehandeha izany. Ny faladiha fotsiny mantsy no lany raha araka ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo fa mbola tena maina ny tsena. Toraka izany koa ireo mpivarotra kilalao ho an’ny fetin’ny 26 jona .
Pati
Legende : Mila hifanitsa-kitro anefa ireo mpivarotra sainam-pirenena eny an-tsena amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT