Nifidy sy nandatsa-bato tao anatin’ny filaminana ireo olom-pirenena Malagasy ny zoma 20 desambra 2013 lasa teo, hoy ny “Southern African Development Community-Council of Non Governemental Organisations” tamin’ny tatitra savaranonando nataony ny sabotsy hariva lasa teo teny amin’ny hotely Colbert. Nitondra fanamarihana vitsivitsy anefa ny SADC-CNGO toy ny tsy fahitana ireo lisi-pifidianana tovana na ny tsy fampiasana azy ireo mihitsy tao amin’ny birao fandatsaham-bato sasantsasany, ny anjara fotoana nahazoana naneho hevitra tao amin’ireo haino aman-jery izay hita tsy nifandanja hoan’ny teo amin’ny sehatra tsy miankina satria nisy sarany, ny fihenan’ny salan’isam-pandraisana anjaran’ny mpifidy. Noresahan’ity filan-kevitry ny fikambanana tsy miankina ao amin’ny SADC ity manokana kosa ny mikasika ilay didim-panjakana nanova ireo fepetra fampiharana mandritra ny fampielezan-kevitra izay efa voafaritra ny lalàna mifehy ny fifidianana. Tsara ny fandraisana andraikitry ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana tamin’ny fanafoanana io didim-panjakana hafahafa io saingy ny fotoana no diso aoriana loatra satria mety hiteraka olana amin’ny fanapahan-kevitra izay horaisina amin’ny fotoana famoahana ny voka-pifidianana izany, araka ny fomba fijerin’ireto mpanara-maso vahiny ireto. Manantena miaraka amin’ny vahoaka Malagasy ny SADC-CNGO fa tena ny safidin’ny olom-pirenena tokoa no hivoaka eo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.