Politique

Ry Hajo mamely fitondrana Kaleta milaza fa mbola manohana ny Filoha ny MMM


  • Talata 25 Oktobra 2022

Nanao fanambarana ny mpanolontsaina manokana ara-politikan’ny Filoham-pirenena Atoa Soja Jean André na Kaleta omaly. Nilaza fa mbola mbola manohana ny Filoha ireo Vondrona Antoko miaraka aminy :

Ny AVI, MMM an’i Hajo Andrianainarivelo, Hiaraka isika an’i Camille Vitalle, Antoko Maitso an’i Alexandre Georget, Freedom an’i Lalaltiana Rakotondrazafy, Avana an’I Jean Louis Robinson, ny Liaraike izay tarihiny, ny TGV tarihin’Atoa Hery Rasoamaromaka, raha ny nambarany. Ireo moa ilay tao anatin’ny Vovonana ARMADA tamin’ny fotoan’androny. Ny Birao nasionaly no manapaka ny fanonganana, na depiote na senatera izay tsy manaraka ny “ligne politique”, hoy izy. Momba ny fanesorana ny Minisitry ny raharaham-bahiny, nohitrikitrihany fa tsy nahazo fahefana avy amin’ny Filoha. Isika nisafidy ny politika tsy mitanila, tsy nanameloka an’i Rosia dia “non-aligné” izany. Rehefa nesorina dia lazaina fa “fusible” ka tsy izay, fa tsy nahazo fahefana tamin’ny Filoha, ary famadihan-tanindrazana na “haute trahison”, hoy io mpanolontsaina manokana ara-politikan’ny Filoham-pirenena io. Tsara anefa ny manamarika fa efa nilaza ho tsy miara-dia amin’ny fitondrana intsony ny MMM, ary ny Antoko tamin’ny alalan’ny Filohany Atoa Hajo Andrianainarivelo ny 08 septambra 2022, fa marefo ny fahefam-panjakana ankehitriny manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mazava fa misy zavatra tsy mandeha eto satria mivoaka daholo ny antontan’isa ka tokony hifampidinihana,... Isan’izany ny nilazan’ny Banky Iraisam-pirenena fa 80,2% ny tahan’ny mahantra. 75 ilay izy, lasa 80%. Ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena tamin’ny 2021 dia 4,4%, amin’ity 2022 ity vinavinaina ho hotonga any amin’ny 2,8%, nihemotra izany isika, ka na inona na inona fomba filaza, dia tompon’andraikitra ny Fitondrana, hoy Atoa Hajo Andrianainarivelo. Ara-politika, naneho fa tokony hirosoana ny fikaonandoham-pirenena hijerena vahaolana hoentina hirosoana amin’ny fifidianana ny MMM. Raha izany no tenin’ny MMM, ny an’Atoa Kaleta kosa dia efa nisy fotoana nilazany fa tsy handroso intsony i Madagasikara raha tsy handroso amin’izao fitondran-dRajoelina izao. Mandroso makany amin’ny fihemorana ve? Inona izany no tena marina ny an’ny MMM izay toa efa nanasa tànana tamin’ny fitondrana sa ny an’Atoa Kaleta? Sa kosa manao vazaha mody miady ara-politika ka hifanavotra ihany amin’ny 2023? Ho an’ny Antoko maitso, efa tsy manana olona intsony ao anatin’ny governemanta ihany koa, ary tsy re feo firy intsony. Tena mbola miara-dia amin’ny fitondrana sa mbola mihainohaino sy mijery izay hasiana ny tongotra indray ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT