Natomboka omaly alahady 04 aogositra 2019 ka haharitra 3 herinandro be izao, ka hifarana amin’ny 01 septambra 2019, ny fifanintsanana rugby à XV fiadian-toerana hahazoana miatrika ny Top 20 2019 karakarain’ny Malagasy Rugby.
Nambaran’ny Tale Teknikan’ity Federasiona ity, Atoa Randrianorosoa Antsoniandro teny amin’ny kianjan’i Mahamasina omaly, fa ekipa miisa 24 ahitana ny solontenan’i Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro ary Atsinianana sy Vakinankaratra nozaraina ho vondrona 6 no miatrika an’ity fifaninanana ity ka anisan’izany ireo ekipa niaraka tamin’Analamanga Rugby fahiny (3Fb, Tam , Tfma, Matadore A sns…). Ny roa voalohany isam-bondrona amin’rty fifanintsanana ity no hiatrika ny Top 20 hiaraka amin’ireo ekipa niatrika ny 1/4-dalan’ny Top 20 tamin’ny taon-dasa dia ny Ftm, Usa, Tfa, Fta,Cosfa, Jsta,, Xv Fa ary ny Scb. Ireo ekipa 12 ambiny tsy tafita kosa dia hiatrika ny « Championnat Fédéral 2 ». Manomboka izao, hoy ity Tale Teknikan’ny Malagasy Rugby ity dia hisy hatrany ireo ekipa hiakatra eo amin’ny sokajy ambonimbony kokoa noho ny nisy azy ary hisy ihany koa ekipa hidina any amin’ny sokajy ambanimbany kokoa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.