Rtoa Savaron Malala

> Mbola manantena ho kandidŕ filoham-pirenena


  • Alakamisy 02 Janoary 2014

Anisan’ny nanaitra ny mpanao gazety ny nahita an-dRtoa Savaron Malala mpanao politika nivezivezy tetsy Ambohidahy foiben-toeran’ny CES ankehitriny ary nivimbina antontan-taratasy haterina ao amin’ity sampana mpitsara fifidianana ity.

Rehefa nanontaniana moa izy dia nanambara fa nanamafy ny fitoriana nataony noho ny tsy namelana azy ho anisan’ireo kandidà ho filoham-pirenena farany teo no tena anton-diany tao. Niharan’ny antsojay aho ka nolavina ny fandrotsahako antontan-taratasy ho kandidà filoham-pirenena tamin’iny 2013 iny, hoy izy, noho izaho efa anisan’ny mpifaninana tamin’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna teto Iarivo. Tsy mbola nandraisako taratasy mazava anefa io fandavana nataon’ny CES io, hoy izy, ka mbola angatahako ny maha kandidà ho filoham-pirenena ahy ary handray anjara amin’ny fifidianana manaraka aho raha miverina ity fifidianana ity. Farafaharatsiny aho, hoy izy, mba tendrena ho mpanolotsaina eny Ambohitsorohitra satria manana hevitra mafonja hampandrosoana ity firenena ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT