Politique

Rtoa Naika Eliane Hisantatra ny fodian’ireo sesitany politika 2009


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2011

Anio alatsinainy no tokony ho tonga eto Madagasikara Rtoa Naika Eliane. Izy moa dia kandida praiminisitra natolotry ny ankolafy Ravalomanana ary tsy mbola afaka nihaona tamin’ny filohan’ny FAT satria dia sesitany politika any Frantsa ny tenany, efa ho roa taona izao.

 Nafana fo teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena Rtoa Naika Eliane, nijoro vavolombelona hatrany, tao Eoropa sy tany Afrika, indrindra amin’ireny fihaonan’ny Parlemantera eoropeanina sy afrikanina ireny, tamin’ny fanonganam-panjakana nisy teto tamin’ny 2009 sy ny tsy fanosihosena ny zon’olombelona ataon’ny herim-pamoretan’ny FAT. Izy rahateo lasibatra tamin’izany. Rtoa Naika Eliane dia anisan’ireo mpanohana mafana fo ny filoha teo aloha Ravalomanana, ary tsy namadika palitao fa miara-dalana aminy hatramin’izay ka hatramin’izao. Misy ny milaza fa anisan’ireo tsara toerana amin’ny ho praiminisitra ihany koa ity loholona TIM ho an’ny faritra Menabe teo aloha ity satria azo ambara hoe olon’ny fisokafana sy ny fifampiresahana izy ary tsy mba mahery fihetsika na mahery fiteny. Efa hatramin’ny 2002 izy no niara-niasa tamin’i Marc Ravalomanana ary anisan’ireo Malagasy manampahaizana ihany koa. Raha hiverenana kely ny zava-nitranga ka nahatonga azy niala teto Madagasikara dia nisy ny tolakandron’ny sabotsy 12 septambra 2009 ny bemidina nataon’ireo herim-pamoretan’ny FAT tamin’izany fotoana teny amin’ny trano fadraisam-bahiny iray eny 67Ha.

Nalaza moa tamin’izany fotoana ny resaka baomba tsy mipoaka. Koa izay mpanao politika na olona akaiky ny filoha teo aloha dia natao hazalambo avokoa satria nolazaina fa mpanao asa fampihorohoroana, atidoha nikotrika na mpamatsy vola. Tsy vitan’ny nisava sy nanakorontana ambony ambany io hotely io ireto herim-pamoretana ireto fa mbola nikasi-tanana an-dRtoa Naika Eliane sy ny mpiasa sasany teny an-toerana, araka ny nolazain’ny vavolombelona nanatri-maso ilay tranga.

Nazava ny resaka teo fa anisan’ireo mpanao politika tadiavin’ny FAT hogadraina Rtoa Naika Eliane. Ny azy anefa no nataony tonga mialoha. Nambarany ho ren-tany ho ren-danitra tany Bruxelles sy Paris ny hetraketraka sy fanosihosena ny zon’olombelona ataon’ny FAT eto Madagasikara, koa dia nangina ilay raharaham-pitsarana, izy rahateo moa tsy niverina teto Madagasikara intsony. Hody an-tanindrazana Rtoa Naike Eliane amin’ity anio ity satria kandida praiminisitra ka tsy maintsy hitafa sy hidinika amin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Efa azo adika koa anefa izao fa fisantarana ny fodiana an-tanindrazana tsy misy fepetra, ireo voatery nanao sesitany ny tenany noho ny antony ara-politika, araka ny andininy faha-20 amin’ny tondorozotra, ity fahatongavan-dRtoa Naika Eliane ity ary maro no mahita fa efa fambara zavatra ilay izy ary mbola hitohy.

RTT

Sary : Naika Eliane tany amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana momba ny zon’Olombelona any Genève Suisse

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT