Rtoa Marylandy sy Rasazy Alice

> Famerenana indray ny Hasin’ny fanaovana politika


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013


Hafana ny hazakazaka fiadiana ireo toerana roa eny Tsimbazaza, hitondra teny ny vahoakan’i Fianarantsoa. Lisitra kandida miisa 26 no hifaninana, telo amin’ireo dia vehivavy no mitarika ka anisan’ireny ny lisitra MAMIMI tarihin-dRtoa Marylandy sy Razasy Alice, kandida manasongadina ny miralenta ary samy resy lahatra hamerina ny Hasin’ny fanaovana politika tena izy hampandrosoana ity firenena ity. Olon’ny fahamarinana, fihavanana, serasera. Efa nanomboka nandray andraikitra nitondra ny feon’ny vahoaka tany amin’ireo mpanatanteraka tamin’ny Fokontany nisy azy ka nijoroan’ireo fotodrafitrasa maro tamin’ny izany toerana izany. Nahatsapa ny olan’ny mponina amin’ny ankapobeny tao amin’ny Distrikan’i Fianarantsoa I rehefa nidina teny ifotony naka ny feon’ny vahoaka. Toerana roa no anjaran’i Fianarantsoa I ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Miray lisitra amin-dRtoa Marylandy Rasazy Alice. Mpino kristianina, olon’ny fiantrana sy ny fitiavana. akaiky ireo renim-pianakaviana sy ny zaza ka mahalala tsara hatrany ifotony ny fahorian’ny vahoaka.

 

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT