RTOA ANNICK RATSIRAKA

Vonona hitondra ny feom-bahoaka ao Mahanoro


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC tao Mahanoro ny Alatsinainy hariva teo ny taratasy

filatsahan-kofidian’ny sekretera nationalin’ny Antoko Arema Ramatoa Annick Ratsiraka. Nosafidiana manokana hirotsahana i Mahanoro noho ity farany tany niaviany. Maro ihany koa ny asa izay nataony tao amin’izany distrika izany ary isan’ny distrika nandehanany matetika ihany koa i Mahanoro nandritra ny fitetezam-paritra nataon’ny antoko. Marobe hoy izy ireo asa vita sy nataon’ny fitondrana tao Mahanoro fony mbola nitondra ny firenena ny Amiraly Ratsiraka. Ankehitriny anefa hoy izy dia efa simba sy potika ny ankamarohan’izy ireny. Nilaza moa Ramatoa Anick Ratsiraka sekretera Nationalin’ny antoko Arema fa isan’ireo antoko mandray anjara mavitrika amin’izao fifidianana izao ireo mpikatroka ao anatin’ity antokon’ny Amiraly Ratsiraka ity . Manodidina ny 40 eo ho eo ireo kandida mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko, izay miparitaka amina distrika maro . Efa hatramin’ny fotoana nanomanana ny fifidianana filoham-pirenena moa no efa nikasa ny handray anjara ny antoko Arema , ary efa nanao ny fanentanana amin’ny tokony handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fisafidianana izay olona heveriny hitondra ny feony eny anivon’ny antenimieram-pirenena izy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana nataon-dRtoa Annick Ratsiraka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT