ROSSY

"Mba mahalalà menatra ianareo mpitandro filaminana"


  • Alarobia 14 Mey 2025

Nanome tsiny ny mpitandro filaminana ny mpanakanto sady depiote teo aloha,

Paul Bert Rossy Rahasimanana na Rossy, manoloana ny fanakanan’izy ireo ny mpikambana anatin'ny hetsika 72 nanatitra voninkazo teny amin'ny kianjan'ny 13 may Analakely omaly. Tonga teny amin’ny 13 may moa ireto mpikamban’ny hetsika 72 ireto hanatitra voninkazo ho fanamarihana ny fahatsiarovana ny faha 53 taonan'ny tolona 13 may 1972. Nanana taratasy avy amin’ny prefe izy ireo ary nasehony rehefa nisy ny sakantsakana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Noferan’ny mpitandro filaminana ho 20 ny isan'ireo mpikambana anatin'ny hetsika 72 afaka nanatitra voninkazo, raha toa ka mihoatra an’izay ny isan'izy ireo teny an-toerana. Nanoloana izany dia naneho ny heviny i Rossy. Mahalalà menatra lesy fa lahy antitra sy olon-dehibe voky taona ireo hahavita inona afa-tsy hanatitra voninkazo, hoy ny tenany?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT