Politique

Romy Andrianarisoa Tsy mbola nisy didim-panjakana nanala azy…


  • Talata 22 Aogositra 2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Mbola any amin’ny 08 septambra ny raharaham-pitsarana, izay heverina fa ho henjakenjana. Nolazaina fa tao anatin’ny fialan-tsasatra nanomboka ny 09 hatramin’ny 22 aogositra. Ny 10 aogositra no voasambotra tany Londres, saingy ny 14 aogositra rehefa noviravirain’ny mpikirakira facebook ny Fanjakana noho iny tranga iny vao namoahana fampitam-baovao fa hoe: esorina amin’ny toerany ary mihatra avy hatrany. Fampitam-baovao na “communiqué de presse” no navoakan’ny Fiadidian’ny Repoblika tao anatin’izany, fa tsy nisy didim-panjakana mazava manamafy an’io nivoaka tamin’ny fomba ofisialy sy nampahafantarina aloha hatreto. Fomba fiasan’ny Fanjakana no mamoaka sy manao serasera izany ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, saingy tsy nisy an’io ny fampitam-baovao ny 14 aogositra teo, kanefa nolazaina fa mihatra avy hatrany. Tsara no mampahatsiahy, fa tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny 01 martsa 2023 no nanendrena an-dRtoa Romy Voos Andrianarisoa, ka amin’ny alalan’ny didim-panjakana ihany koa no manafoana izany. Manana lanja araka ny lalàna na “valeur juridique” ve ny serasera sy fampitam-baovao? Tsy nisy didim-panjakana milaza ny fanesorana azy nipoitra aloha hatreto, ka asa na hamoronana vaovao mitondra ny datin’ny 14 aogositra na ahoana fa hatreto aloha. Raha raisina amin’ny lalàna dia mbola Tale Kabinetra ity Rtoa voasambotra tany Londres noho ny fitakiana vola 225 livre sterling na 1 300 000 000 Ar sy fitazonana ny 5% amin’ny fampiasam-bolan’ny orinasa Gemfields ho tambin’ny fanomezana fahazoan-dàlan’io orinasa io hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Dia tena tamin’ny nahim-pony tokoa ve no nahafahany nisolo tena ny Fanjakana Malagasy fa tsy misy lehibe mpaniraka? “Tsy maintsy fahefam-panjakana no nahafahany nitaky vola 225 000 livre sterling tany amin’ny Gemfields. Amiko, matoa izy afaka nitaky an’ireny dia satria Tale kabinetran’ny Filoha izy, fa raha olon-tsotra ery antokontany dia ahoana ny ahafahany makany hoe: omenareo an’izao izahay. Manana fahefana izy avy eo hanome ny zavatra takalon’ilay tsolotra”, hoy Atoa Rivo Rakotovao mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM ny herinandro teo. Nilaza kosa I Fanirisoa Ernaivo, fa tsy vao sambany nanera fifampiraharaharana amina fitrandrahana harena teto I Romy Voos Andrianarisoa, fa efa nisy hafa, toy ny orinasa sinoa Cnooc,… Andrasana ny tohiny, anarana maro no mety hivoaka aoriana ao fa dia samy miandry ny rehetra!
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT