Politique

Rolly Mercia Misarizoro amin’ny HVM


  • Alarobia 18 Novambra 2015

Taorian’ny fialan-dRahajason Harry Laurent na Rolly Mercia tsy ho mpikamban’ny antoko MAPAR intsony dia naka aina kely amin’ny resaka politika ity minisitry ny serasera teo aloha ity

 

. Efa mitady lalana hidirana ho ao anatin’ny fianakaviamben’ny antoko HVM izy amin’izao fotoana izao ary efa maro ireo mpikambana ao amin’ny antokon’ny fitondrana io no mifampiresaka ambadika aminy. Toerana maro no efa vinavinaina hatolotra an’i Rolly Mercia. Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Mahajanga izy dia nilaza fa misy antony tsy azo anoharana no nahatonga azy niala tsy ho MAPAR. Vonona hatrany anefa izy ny hampandroso ny firenena raha misy ireo te hiara-kiasa aminy. Araka ny fantatra dia olana teo amin’ny fitantanana ny orinasa sy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny resaka politika no fototra tena nandaozany ny antoko MAPAR. Mety ho lasa minisitra indray ve izany i Rolly Mercia raha tafiditra ao amin’ny HVM ? Tsy atao mahagaga ny fivadiham-palitaon’ireo mpanao politika eto Madagasikara izay efa fanaon’izy ireo, indrindra rehefa ahitany tombontsoa.

 Tolin


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT