Any amin’ny SADC no fanapahan-kevitra farany mikasika izay mety ho fanatanterahana ny sori-dalana, hoy i Rolland Ravatomanga.
. Izy ireo ihany no manapaka izay mandray anjara amin’izany na tsia, saingy tsy midika ho tsy fahafahan’ireo nanao sonia ho fanohanana azy iny, handray anjara ny tsy nanasany azy ireo tany Afrika Atsimo farany teo. Tsy ratsy ihany koa ny fitakian’ny hafa ny fihaonana eo amin’ireo filoha roa eto an-toerana dia ny Pr Zafy Albert sy i Andry Rajoelina saingy tokony ho fihaonana an-tampony eo amin’ireo filoha efatra mihitsy no hotanterahina. Izy rehetra ireo mantsy no niandohan’ny olana ka izy ireo ihany no mahita izay vahaolana hialana amin’izany. Ny fampihavanana azy ireo ihany koa no ahafahana manafoana ny fiverimberenan’ny krizy eto amintsika.
Mikasika ny fahatongavan’ireo miaramila SADC eto Madagasikara kosa dia nilaza mazava ny senateran’i Bongolava teo aloha ary mpikambana ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana fa “tsy mikasa ny hanafika izany izy ireo”. Nodisoany izay hevitra izay. Tonga hijery sy hizaha ny olana eto amintsika izy ireo, hoy izy, mialoha ny hametrahany ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto. Mbola nisy ihany koa mantsy ny miaramila sasany teto amintsika nitsipaka io sori-dalana io, ka hampahafantatra azy ireo fa adidin’ny miaramila ny manampy amin’ny fanatanterahana azy io, ary tsy tokony hitongilana mihitsy izy ireo amin’izany, izay koa no anton-dian’ireto miaramilan’ny SADC ireto.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.