Politique

Roland Ravatomanga Very maina ny “lobbying” nataon’ny FAT


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2011

Hipoka olona tanteraka ny kianjan’i Magro tamin’ny sabotsy 20 aogositra. Niavaka ny ravaka an-tsehatra teny an-toerana efa mahazatra ny tanora TIM ny miangaly azy.

 Nahomby ny fitariahan’olona nivantana nataon’ny mpitolona avy amin’ny manodidina ny renivohitra. Nahavelombolo ny rehetra ny fahatongan’ny Pr Zafy Albert nivantana tao an-kianja ary ny nidiran’ny Filoha Marc Ravalomanana an-telefaonina. Ankoatra ny fanazavana nomeny nivantana dia efa nitondra hafatra manokana avy amin’ity farany koa ny Senatera teo aloha Ravatomanga Roland. Mba nanontany tahaka ny olona rehetra aho, hoy izy, raha niresaka tamin’ny Filoha Ravalomanana hoe : ahoana ireny fivoriana tany Luanda ireny ? Ka ny valiny dia hoe : “faly aho leitsy”.

Mahafaly tokoa satria dia lainga ilay hoe tsy noraharahiana i Madagasikara satria i Madagasikara no noresahana voalohany tao amin’io fivoriana io, hoy Ravatomanga Roland. Mety hoe vetivety sy fohy ny resaka Madagasikara kanefa rehefa tapaka ny an’ny olona indrindra fa ny any amin’ny tany mandroso dia tsy hiverenana intsony fa izay no vita. “Tanterahina izay tapaka tao Sandton !”. Tsotra io sady lehibe. Iny no manaporofo fa niala maina indray ny “lobbying” nataon’ny FAT, hoy Ravatomanga Roland ary ny manaraka izao dia ny fandinihana ny fanatanterahana izany. Ny manaraka fa tsy kely : tapitra ny fanelanelanana fa ny Troïka no maka fanapahan-kevitra ary manana ny maha izy azy i Jacob Zuma.

Afaka matoky isika fa ny vatatenany no hilaza ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana. Ny fiomanana no ataovy mafana fa ho avy ireo sesintany. Ny hafatry ny Filoha Ravalomanana ho an’ny ankokafy Ravalomanana sy ny TIM, nampitainy amin’ny maha-birao politika ahy ao amin’ny TIM dia ny hoe : “miarahaba ny rehetra ary misaotra izay vita rehetra. Tsy sangisangy na vazivazy fa tena ho avy aho Dadanareo ka hetseho daholo ny tanàna. Mijoroa, mitsangana !”. Momba ireo nisintaka na ireo latsam-panenenana : “tsy mpikambana TIM intsony ireny, ianareo no te handeha fa izahay tsy nandroaka ary ny vahoaka no hitsara anareo”, hoy hatrany Ravatomanga Roland.

Manohy


SARY : Ny senatera Roland Ravatomanga (sary Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT