“Zava-dehibe ny nahitana an`ireo mpiantsehatra satria mitovy hevitra ary miara-mihetsika ny antoko mpanohitra sy fikambanana rehetra vonona hijoro amin`izany”, hoy i Roland Ravatomanga, mpanao politika sady minisitra teo aloha.
Na mbola hisy fanitsiana ny lalàna momba ny fanoherana, hoy izy, mamaritra kosa ny lalàna fa izay nahazo vato be indrindra tamin`ny fifidianana depiote aorian`izay mahazo fitondrana no mpanohitra. Tsy milaza kosa anefa izany fa ny antoko TIM no handidy sy hanapaka. Mila miara-manapaka ny rehetra ho mpanohitra amin`ny firaisankina, fitoviam-pijery amin`ny fandrosoana ny fanoherana tena izy. Ny fanoherana tena izy, hoy Roland Ravatomanga, dia tsy mpanohitra hanongana fitondrana fa hanao aro fenitra entina miaro ny demokrasia raha sanatria misy tsy mety ny nataon`ny fitondrana. Anjaran`ny mpanohitra no miaro ny lalan-kizorana sao mandeha amin`ny jadona ny fitantanana. Raha mijoro ny rafitra ho an`ny fanoherana dia midika fa tsy maintsy hiaraha-midinika ny vinam-piarahamonina entin`ity fivondronan’ny mpanohitra ity. Tsy midika fa hahitsy ny vinan`ny antoko TIM (MAP2), hoy i Roland Ravatomanga, saingy afaka maneho ny heviny ny antoko hafa. Izay no vina hoentin`ny fivondronan`ny mpanohitra ka tsy maintsy misy ny fenoin`ny rehetra. Tonga hatrany amin`ny fampihavanam-pirenena rehefa miray hina ny rehetra, hoy hatrany izy. Misy vina apetraka ka izay mitovy fijery amin`iny dia mandroso ao amin`ny fanoherana. Notsipihiny manokana fa rehefa miara-mientana ny mpanohitra dia mazava fa izany no fiarovana ny vahoaka ary fiarovana ny demokrasia.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.