Roland Ravatomanga

> “Tsy misy mandefitra manana ny marina eto”


  • Alatsinainy 06 Janoary 2014

Tsy mila ady isika ! Izay no nambaran’Atoa Roland Ravatomanga tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo raha niteny voalohany amin’ny maha lehiben’ny ankolafy Ravalomanana azy izy.

Nahitsy anefa ny teniny fa “tsy hihemotra mihitsy raha tsy tafavoaka ny marina satria tena feno hosoka iny fifidianana natrehana teo iny”. Efa nanome toky koa i Dr Robinson, hoy izy, fa vonona hiaro hatramin’ny farany izany safidim-bahoaka izany. Nitodika amin’ny CES ihany koa ny tenany, “mahaiza ianareo mijoro amin’ny fahamarinana”. Ny mpitolona eto amin’ny Magro, hoy Atoa Roland Ravatomanga, dia tsy hanaiky na oviana na oviana familiviliana ny safidiny. Tsy mampitahotra izahay fa mampitandrina sao hanenenana mandrakizay. Aza terena izahay hanao ny tsy mety, efa nanao izahay vahoaka tamin’ny 2002 fa raha ilaina dia mbola manana hery ho amin’izany ny vahoaka eto amin’ny Magro, hoy hatrany Atoa Roland Ravatomanga. Ny tany amin’ny faritra dia nanontany anay hoe rehefa tsy hihetsika ianareo dia hotairinay ny anay, hoy ity farany. Tsotra ny valin-tenin’ny Zanak’i Dada dia “mitaky ny marina amin’ny alalan’ny fanarahan-dalàna, ary mbola manaja ny rafitra misy izahay, saingy tsy misy mandefitra manana ny marina eto”. Mihazakazaka ny raharaham-pirenena, nentintsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitoriana ny hala-bato. Noho izany dia manomboka ny alatsinainy dia hanao tatitra foana izahay. Ny iangaviana antsika dia hifanotrona samy manohana an’i Dr Robinson Jean Louis daholo fa tsy hifanilika. Habaribarintsika amin’izao tontolo izao, hoy Atoa Roland Ravatomanga, fa tsy ekena ny hala-bato. Nohamafisiny fa tsy hitarika olona hidina an-dalambe izany izy sy ireo mpitarika nefa tsy afaka hisakana ny vahoaka kosa rehefa feno ny kapoakany fa mahafantatra ny ataony ireo vahoaka ireo.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT