Taorian’Atoa Ramanantsoa Ramarcel Benjamina dia minisitra faharoa nahazo fankasitrahana feno tamin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’ny fiakarany niatrika azy ireo teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza koa ny zoma lasa teo ny minisitry ny asa vaventy,
Roland Ratsiraka. Nambarany fa ny asa notenenina hatao dia vita avokoa. Mety tsy afa-po ny rehetra satria ny enti-manana kely ka novitaina aloha izay vita. Nisy mangarahara ka ny 80 %-n’ny notenenina dia vita avokoa. Notakian-dry zareo mpanao lalàna moa ny mangarahara ka nohazavaina ny vita sy ny hatao amin’ny manaraka. Izay angamba no nankasitrahan-dry zareo ary izy ireo koa mila manao tatitra amin’ny vahoaka. Fotoana fahavaratra izao dia mandray andraikitra isika ary anisan’izany ny eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tsy andraikitray ny kaominina fa tsy afaka mijery fotsiny izahay noho ny zava-misy araka ny nambarany tamin’ireo depiote ireo fa hitondra ny anjara birikinay sady efa nahazo vola tamin’ny mpamatsy vola. Misy ny planina taona 2016 navoakanay izay tsy kobaka am-bava velively fa ho hitanareo fa afaka enim-bolana eo dia ho hita eo ny zava-bita. Misy koa ny lalana atao Béton amin’ny RN 7 amin’iny Ambohimahasoa/Fianarantsoa iny fa efa nahazoam-bola koa tamin’ny mpamatsy vola. Raha sanatria misy ny olona eny am-pandehanana eny, nefa inoako fa tsy hisy izany, dia hazavaina amin’ny vahoaka ny zava-misy fa izany no mangarahara”
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.