Roland Ratsiraka

Nanao fampitahana PV teny amin’ny Foiben’ny CENI


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Niditra an-tsehatra amin’ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra na ny « PV » eo anivon’ny CENI

Antananarivo ny ekipan’ny MTS (Malagasy Tonga Saina) ampian’ny Kolekitifa an’ny Malagasy, raha ny fampahafantarana nataon’ny kandida Roland Ratsiraka omaly. Nitondra ny PV rehetra 309 ny MTS satria nolavin’ny SRMV Toamasina ny fangatahana hanao fampitahana, izay efa fantatsika rehetra ny anton’izany, hoy io depiote io. Nilaza ho matoky ary manantena izy ireo fa hahazo vokatra izay manakaiky ny tena voka- pifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey teo. Nanamafy fa manameloka ny fikasan’ny SRMV an’i Toamasina ambaran’izy ireo fa mikasa hanoratra voka- pifidianana diso ny MTS. PV 50 no nojerena omaly, ka andrasana ny tohiny sy ny akony. Tsy vao ny MTS fa efa nisy ireo kandida maromaro toy ny avy amin’ny Firaisankina tonga nanao fampitahana PV teny amin’ny CENI noho ny fahatsapana fa betsaka ny endrika hosoka sy hala-bato na finiavana hamadika voka-pifidianana ankitsirano. Efa maherin’ny 50 ihany koa amin’izao fotoana izao ny fitoriana voalaza fa efa tafapetraka eny amin’ny HCC, raha ny antontan’isa ny fiandohan’ny herinandro teo. Hanova zavatra sa mbola hijanona amin’ny azo raisina fa tsy mitombina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT