Roland Ratsiraka

« Mitohy ny ady, tsy maintsy hisy zavatra hiova eto »


  • Zoma 28 Jona 2024

Nomahafisin’ny HCC tao anatin’ny didiny omaly 27 jona ny fahalanian’i Roland Ratsiraka

tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tao Toamasina I, izay izy no nitarika narahin’ny IRMAR. « 26 taona no niadivana ho an’i Toamasina, efa lany solombavambahoaka in-telo, ary ben’ny tanàna in-droa. Mbola hita fa misy andraikitra eo anatrehan’ny vahoaka, ka faly dia faly, ary misaotra fa tsy nisy niova ny valim-pifidianana niainga tany amin’ny CENI ka hatreny amin’ny HCC na nisy aza ny fitoriana nataon’ireo mpifanandrina », hoy i Roland Ratsiraka. Nambarany anefa fa maro ny hosoka nisy tamin’ny toerana maro be, fa arahaba soa arahaba tsara fa nivoaka soa aman-tsara tamin’ny nieritreretana azy ny valim-pifidianana, hoy izy. Nitondra fanamarihana ity kandida ity, fa mbola nisy ny zavatra nitsimbadimbadika, toy ny tao Vondrozo izay izy nisy kandida tsy miankina miaraka amintsika hoy izy tokony ho lany, saingy nivadika ny vokatra, ka mbola tohizana ny ady. Làlana lalina sady lava io saingy tsy mahakivy, ka minoa ahy ianareo, fa tsy maintsy hisy zavatra hiova eto Madagasikara, hoy hatrany i Roland Ratsiraka. Ny tenany no hany solontenan’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ao amin’ny Antenimierampirenena, ka nilazany sy nanamafisany fa mazava ny foto-kevitra hijoroan’ny Kolekitifa dia ny tany tan-dalàna, fiarovana ny zavatra rehetra tokony handroso amin’ny tokony ho izy, ady amin’ny tsy rariny, ady amin’ny fanaparam-pahefana sy ny tsy rariny ataon’ny rehetra indrindra fa ny fitondrana. Tsy miova amin’izay ny foto-kevitra entina any amin’ny Antenimiera, ary izay no isan’ny andrasan’ny Malagasy.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT