Politique

Roland Ratsiraka Misolelaka amin-dRajaonarimampianina


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Toraka voninkazo tsy misy tahaka izany no nataon’ny minisitry ny asa vaventy ny filoham-pirenena nandritra ny fitokanana ny tetezan’i Betsiboka tany amin’ny RN 6 sy ny fametrahana ireo fitaovana handanja ny fiarabe mpitondra entana ao Ambondromamy ary ny fametrahana ny vatofehizoro hanombohana ny asa fanamboarana ny tetezan’i Kamoro.

  

 

 

 Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny fitaovana ampiasaina amin’ilay fandanjana fiara, hoy i Roland Ratsiraka. Tokana aty Afrika izany ary tsy vita raha tsy tamin’izao fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina izao. Mbola naveriny ihany avy eo fa tsy vita ireo asa goavana ireo raha tsy lany filoha i Hery Rajaonarimampianina. Fomba firesaka tsy dia mahazatra loatra ny maro io raha ingahy Roland Ratsiraka no mandaha-teny satria henjankenjam-pitenenana izay ihany izy ary tsy dia mpisolelaka na mpideradera olona no nahafantarana azy hatramin’izay. Ankehitriny anefa dia io mila ranondranony amin’ny filoham-pirenena io. Miaro seza itoerana ve sa mitsinjo ny fanendrena azy ho loholona raha sanatria voadaka tampoka eo ?

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT