Miha mitombo ny isan’ny olona maty
anatin’izao tolom-bahoaka izao manerana ny nosy, hoy ny depiote Roland Ratsiraka. 25 izany izao, raha ny feo heno, hoy ity filohan’ny antoko politika Malagasy tonga saina na MTS ity. Vao mainka mahery vaika ny zavatra ataon’ny Zandary eto Antananarivo, hoy izy. Tena mirehareha fa miaro an’i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga ny Zandary. Tena mampalahelo, mampijaly vahoaka, tsy azo ekena ireny herisetra ataonareo ireny, na amin’ny vehivavy na amin’ny zaza madinika na amin’ny zazakely na amin’iza. Tsy misy tarehimarika avoakan’ny fanjakàna mihitsy satria afenina ilay izy nefa fantam-poko, fantam-pirenena. Hitantsika mihitsy hoe misy olona maty eo anatrehantsika, mivantana amin’ny Facebook. Tsy azo ekena ireny. Ny depiote namana, Rabenirina Jean Jacques, maty satria nodomina kamiao. Niaraka tamina olona maromaro noho ity krizy ity. Tsy miaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana. Isaorako manokana ny mpitandro filaminana ao Toamasina fa tsy mba toy izany. Manao diabe miaraka amin’ny mpianatra. Tsy misy zavatra potika. Tsy misy herisetra natao na inona fa dia milamina. Toy izany koa ny ao Antsiranana. Misaotra ny boka Diego! Toy izany koa ny ao Fianarantsoa, Antsirabe, ny any amin’ireo faritra hafa. Miaraka amin’ny vahoaka ny mpitandro filaminana satria samy anaty fijaliana amin’ny rano sy herinaratra daholo. Ilay olom-bitsy mahazo vola, araka ny heno hoe 4 miliara no nomena an-drizareo tamin’ny alatsinainy, ireny io mbola manenjika antsika io. Mila mametra-pialàna anaty fahendrena tanteraka i Andry Rajoelina! Ilay tambazotra ao amin’ny fitondràna ao mihitsy no tsy vitan’ny hoe ianao sy Ravatomanga foana fa tambazotra tafapetraka eto Madagasikara efa 7 taona mahery. Tsy azo ekena! Aoka izay! Mety mbola hitohy andro vitsivitsy ity satria mbola tsy nametra-pialàna izy fa mankahery antsika mianakavy. Misaotra ny mpanao gazety. Hitako daholo ireny ianareo nenjehina sy notorahana baomba mandatsa-dranomaso ireny. Tsy ireny no demokrasia. Hametraka fitoriana any amin’ny fitsaràna iraisampirenena na TPI izahay. Alefaso aty daholo ny dosie fa ho ataonay maimaimpoana izany, hoy hatrany i Roland Ratsiraka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.