Roland Ratsiraka

“Miliara maro no nomen’i Rajoelina ny Katolika”


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Tsy afangaro ny finoana sy resaka politika, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Roland Ratsiraka,

nanome hafatra ho an’ny mpino Katolika ny sabotsy teo. Izaho izao, hoy izy, dia vita batemy, mpandroso lamesa, ny papako Katolika ary nisehatra tamin’ny sekoly Zezoita tao amin’ny St Michel. Izaho koa nianatra tao. Ny reniko nobeazin’ny masera. Tsy mbola nanafangaro mihitsy ny politika sy finoana aho tao anatin’izay 25 taona nanaovako politika izay. Nisy fotoana samy nanome fanomezana ho an’ny fiangonana Katolika izao sy Andry Rajoelina saingy ny anarako tsy voatonona na dia fisaorana fotsiny aza nefa ny ahy betsaka noho ny an’i Andry Rajoelina ny fanomezana natolotro. Tsy tanjoko loatra koa moa ny hirehareha amin’izany fa hita ihany ilay izy taty aoriana hoe misy endrika politika. Efa miliara maro no nomen’i Andry Rajoelina ny Katolika dia ny tena moa amin’ny maha zanaky ny eglizy dia niteny hoe tsy mety izany fa lasa fitaovana politika ny fiangonantsika. Tamin’ny fotoanan’ny JMJ izay nanomezana Kit dia natao loko volomboasary ilay Kit. Mazava be fa tian’i Andry Rajoelina ampiasaina ny Katolika amin’ny antony politika. Izaho dia isan’ny olona mijoro foana rehefa misy tsy mety ataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Isany ny resaka fanodinkodinam-bola ary nilazako hoe ireny vola ireny dia misy ampiasaina anaty fiangonantsika. Nilaza ny eveka fa tokony hirosoana ny fifidianana satria izay ihany no vahaolana amin’ny raharaham-pirenena. Tsy nanontany ny tekinisianin’ny CENI sy izahay kandida angamba ny eveka, hoy hatrany i Roland Ratsiraka.
J. Mirija

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT