Roland Ratsiraka

“Mbola mamatsy vola an-dRajoelina ny governemanta”


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Nanao ampamoaka mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina

no sady nampita izany mivantana tamin’ny pejy Facebook-ny omaly tolakandro ny kandida ho filoham-pirenena, Roland Ratsiraka. Ny momba ahy sy ny antoko politika Malagasy tonga saina na MTS, izay tarihiko, hoy izy, no horesahako fa tsy afaka ny hiresaka momba ny kandida hafa aho. Mandeha tsara ny tolona am-pilaminana. Izahay manokana dia efa tamin’ny 2009 no nitaky fifidianana madio sy mangarahara ary dia tonga indray ankehitriny ny fotoana hanaovana izany dia eto izahay. Miaro hatrany ny zo fototra isam-batan’olona sy ny zon’olombelona ny MTS.
MANAMBITAMBY KANDIDA
Momba ny resaka hoe fihaonana tamin’ny ekipan-dRajoelina dia tena nihaona tamin’izy ireo aho satria amiko dia ilaina ny fifampiresahana. Zavatra hafa anefa ny resaka tao, izay mampalahelo, satria nilaza ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny kandida laharana faha 3 ireo fa vonona hamatsy vola sy fitaovana izay kandida manaiky hiroso amin’ny fifidianana. Tsy mety amiko izany ka tsy maintsy ambarako. Ny hoe nihaona tamina kandida hafa ry zareo dia tsy fantatro ny momba izay, hoy hatrany i Ratsiraka Iarovana Roland.
TSY METY ILAY MITSIKILO
Mbola notsikafonin’ity kandida ity indray mandeha ny momba ilay “Logiciel” na rindram-baiko Predator ampiasaina amin’ny fitsikilovana ny fiainan’olona manokana na an-tambazotran-tserasera io na fitaovan-tserasera hafa. Tena mampiomehy i Andry Rajoelina, hoy izy, fa sahiny ny nanambara tamin’ny vahoaka malagasy sy izao tontolo izao fa nitsikilo izy. Tena loza ary tsy mety izany. Lany tao ny 14 tapitrisa Euros fa tsy mba nanamboarana ireo zavatra tena maika sy ilain’ny vahoaka tahaka ny lalana ohatra, hoy hatrany i Roland Ratsiraka MAMATSY VOLA Nahitsy fiteny ihany koa ny kandidan’ny MTS raha nilaza fa misy minisitra mitondra vola amin’ny andro alina dia aterina eny amin’ny Arena, foiben-toeran’ny UPAR na “Union Pro Andry Rajoelina”, izay vovonana vaovao manohana an’i Andry Rajoelina, eny Ivandry. Mbola mamatsy vola ny Arena ny governemanta, hoy izy, ka tsy azo ekena izany satria midika fa mbola mamatsy vola an-dRajoelina ny governemanta. Mangataka ny firaisankinan’ny kandida rehetra aho. Tsy maintsy haato ny fifidianana noho ny ratra nahazo ny kandida iray satria izay no ambaran’ny andininy faha 47 ao amin’ny lalàmpanorenana. Zava-dehibe ny fifampidinihina, hoy hatrany ity kandida ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT