Roland Ratsiraka

« Filoha jadona Rajoelina, tsy hanaiky aho ! »


  • Alakamisy 23 Janoary 2025

Toy ny tamin’ny sabotsy 18 janoary teo, natao andrimaso indray ny depiote sady kandida

ben’ny tanàna teo aloha Roland Ratsiraka omaly alarobia 22 janoary. Nohodidinina mpitandro filaminana ny toeram-ponenan’ity solombavambahoaka ity omaly, fotoana nifanandrify tamin’ny famoahana ofisialy ny voka-pifidianana, izay nampandresy ny kandidan’ny IRMAR Alain Andriafanomezantsoa tamin’ny salan’isa 46,44% ho an’i Toamasina I. Niantefa manokana tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ity depiote ity, ka nilaza fa tsy Fanjakana tsy manjary no misy, ary filoha jadona ny Filoha ankehitriny. « Miresaka demokrasia, miresaka tany tan-dalàna,… ka demokrasia ve ny olona tsy mahazo miteny, tsy mahazo maneho ny heviny ? » hoy i Roland Ratsiraka. Notsiahiviny fa ny lalàmpanorenana dia milaza mazava fa mahazo mandeha sy malalaka amin’ny fivezivezena, mahazo miteny,… Izaho solombavambahoaka tsy navela nivoaka ny trano, enjehina sy arahina polisy sy zandary ka zavatra tsy rariny, saingy ianao irery no mahita izany ho mahita izany ho « normal », hoy i Roland Ratsiraka miantefa amin’i Andry Rajoelina. Nambarany fa ny zavatra atahoran’i Andry Rajoelina dia ny marina. Nahitsy izy naneho, fa nangala-bato ary tratra ambodiomby ny IRMAR. Izany no hoavin’i Madagasikara asehon’ny Fitondrana, ka i Andry Rajoelina miteny demokrasia, miteny fa milamina sy mandroso i Madagasikara, kanefa tsy misy raha manjary, raha ny nambarany. « Tsy hainao ny dikan’ny soatoavina Repoblikanina, tsy hainao ny dikan’ny soatoavina kristianina. Ianareo mandeha mivavaka dia Andriamanitra ny patroanareo rehefa mivavaka, fa vao mivoaka amin’ny fiangonana ianareo dia miala tsiny fa ny patron anareo demony. Tsy ekeko, ary tsy hanaiky hatramin’ny farany aho. Aoka izay io fampitahorana lava io, Tsy misy dikany io ! Mila zavatra tsara i Madagasikara, ary mila raharaha madio ihany koa i Toamasina, ka tsy ekeko hatramin’ny farany io », hoy i Roland Ratsiraka. Nambarany fa tsy mahakivy azy ny fanenjehana variraraka, ary efa 25 taona nijoroany sy nitakiany ny fanajana ny soatoavina Repoblikanina sy soatoavina Kristianina. Andrasana indray izany izay ho tohin’ny fitakiana hotarihin’i Roland Ratsiraka. Hanao ahoana ihany koa ny ho setriny avy amin’ny Fitondrana ? Hamoronana dosie sy holazaina fa manohintohina ny filaminana anatin’ny Firenena, maniratsira ny Filoham-pirenena,… ve i Roland Ratsiraka sa hodiana tsy heno izay nambarany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT