Roland Ratsiraka

«Fifidianana feno hosoka, tsy azo ekena ! »


  • Zoma 13 Desambra 2024

Tsy mbola nisy fifidianana feno hosoka tahaka iny, ary haiko tsara ny paikadin’ireo volomboasary

fa ny hangala-bato satria fantatsika ny vahoakan’i Tamatave hoe : aiza ny tena làlany, hoy ny kandida laharana faha-4 Roland Ratsiraka omaly. Nambarany fa misy hsoka be fahatany, tsy misy tahotra sy henatra, ary tena sahy ry zareo satria miaraka amin’izy ireo ny Fitondrana. Nisy andian’olona maro nifidy, misy sefom-pokontany mividy olona, ary anananay sary sy santionany daholo, nampiasana vadin-tany nanamarina azy, hoy ny kandida Roland Ratsiraka. Tahaka izany ihany koa ny fitondrana olona amin’ny « bus » nitety birao fandatsaham-bato nifidy im-betsaka, nisy ny fanentsenana bileta tamin’ny vata, toy ny hoe isan’ny mpifidy 200 kanefa ny vato 250 ary maro ny tranga toy izany, raha ny fanazavany. Maro be ny fitondrana kara-pifidianana tamin’ny anaran’olon-kafa. Efa fantatra fa miray tsikombakomba ny sefo fokotany sy ny mpikamban’ny birao fandatsaham-bato, ary ny mpitandro ny filaminana ka nahazo fandrahonana ny delege MTS sy ny « superviseurs » rehefa tsy nanaiky ny tetika malotony, raha ny tatitra nataon’i Roland Ratsiraka hatrany. Ny fanamborana ny « Maitre Tody Arnaud sy « menace d’arrestations » na fandrahonana hisamborana natao tamin’ny « superviseurs »-nay rehetra dia nahery ary nanome fahalalahana ny sefom-pokotany hizara kara-pifidianana ampahibemaso , tsy misy henatra sy tahotra intsony satria narovan’ny mpitandro filaminana, hoy hatrany izy. Tahaka izany ihany koa ny resaka « ordonnances » izay tena mampiahiahy. Na izany aza, nambaran’i Roland Ratsiraka fa mitarika ny tenany sy ny mpiray lisitra aminy raha ny vokatra eo am-pelantanany, saingy tsy mifanalavitra ny elanelany. Nilaza tsy hanaiky mihitsy ny tenany, firenena ity, isika zanak’Andriamanitra, mila zavatra madio, ka tsy azo ekena. Nilaza hihaona amin’ny vahoakan’i Toamasina hiaro ny safidim-bahoaka ny tenany ny sabotsy tolakandro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT