Naneho hevitra mikasika ny fifidianana ny filohan’ny MTS sady kandida filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany, Roland Ratsiraka omaly tetsy Antsakaviro nisy ny “QG”-ny.
Niarahaba ny kandidà Hery Rajaonarimampianina ny tenany amin’ny fitarihana an’isa eo amin’ny voka-pifidianana vonjimaika. Nanampy azy ny vato azony tany amin’ireo toerana nandresen’ny MTS tamin’ny fihodinana voalohany, hoy i Roland Ratsiraka. “Miangavy ny kandidà Robinson Jean Louis kosa izahay mba hanaiky ny voka-pifidianana tahaka ny nanekenay ny faharesenay tamin’ny fihodinana voalohany. Aoka mba samy hanaiky ny vokatra havoakan’ny CES eo”, hoy ity filohan’ny MTS ity. Ny an’ny MTS moa, hoy izy, dia nazava ny fifanarahana tamin’ny fanohanana ny kandidà Rajaonarimampianina fa hisy ny fiarahana midinika amin’ny fananganana governemantan’ny Repoblika faha-4 rehefa lany izy. Nifanarahana koa ny fananganana fanjakana tan-dalàna, tsara tantana ary mandala ny demokrasia. Tsy namaly nivantana ny fanontanian’ny mpanao gazety tamin’ny teny Malagasy izy ny amin’ny mety ho fanendrena azy ho praiministra. “Tsy afaka ny hamaly izany aho, hoy ity filohan’ny MTS ity, fa misy pitsopitsony tsy maintsy arahina izany fanendrena izany. Nazava kosa anefa ny valim-panontaniany tamin’ny teny frantsay napetraky ny mpanao gazety vahiny fa hoe nahoana moa no tsy azo eritreretina izany toerana maha praiminisitra azy izany ary lojikan-javatra koa izany raha ny zava-nisy natrehana tamin’ny fifidianana no jerena. Tsy afa-po tamin’iny fifidianana iny ny MTS, hoy i Roland Ratsiraka, nefa kosa dia vonona hanampy ny fitondrana mijoro hampandrosoana an’i Madagasikara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.