Taorian’ny famoahan’ny CENIT, ny vokatra vonjy maika ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 25 oktobra lasa teo ka nahazoan’ny kandida Roland Ratsiraka ny laharana faha-04 tamin’ny 09%, tamin’ireo kandida 33 nifaninana dia nisafidy ny tanànan’i Toamasina ity filohan’ny antoko Malagasy Tonga Saina ity, omaly alahady, nilazany ny heviny momba ny resaka politika sy manodidina ny raharaham-pirenena, indrindra ny raharaham-pifidianana teo. Marina, hoy i Roland Ratsiraka fa nisy ny olana nandritra ny fifidianana nataontsika farany teo ireny, nefa izany tsy midika fa tsy ara-dalàna ny nanaovana iny fifidianana iny satria ny vahoaka Malagasy mihitsy no nila azy sy tonga nanefa ny adidiny, koa “tsy ekeko ny filazan’ny kandida sy ny mpanao politika sasany ny hanafoanana izany. Hotsarain’ny tantara sy ny taranaka Malagasy izay manao izany, ka hampisy krizy vaovao eto indray”. Nomarihany fa “very lalao iray izahay, tsy midika izany fa ho tapitra eo ny fifaninanana fa mbola vonona amin’izay fifidianana eo ny Malagasy Tonga Saina. Indray mandeha manta vary izahay ka tsy handevin-tsotrobe. Ho an’ny MTS dia soatoavina tsy maintsy hajaina ny safidim-bahoaka sy ny hevitry ny maro an’isa ary ny demokrasia”. Tsy mbola nilaza izay kandida hotohanany amin’ny fihodinana faharoa kosa i Roland Ratsiraka, fa milaza ny mbola haka ny hevitry ny birao politikany sy ny mpifidy azy mialoha ny handraisany ny fanapahan-kevitra. Nanambara kosa anefa izy fa efa tafaresaka taminy avokoa ireo kandida roa tafita hiatrika ny fihodinana faharoa dia ny Dr Robinson Jean Louis sy Hery Rajaonarimampianina.
Amin’ny MTS izao dia ny fampandaniana ireo solombavambahoakany miisa 104 manerana ny Nosy no tanjona izao, izay i Roland Ratsiraka mihitsy no hanampy sy hitarika ireo kandidany ao anatin’ny fampielezan-kevitra. Manantena mantsy ny MTS fa hahazo solombavambahoaka 40 raha ny vokatra azony isam-paritra nandritra ny fihodinana voalohany ny fifidianana filoham-pirenena teo no jerena. Ankilan’izay dia nasian’i Roland Ratsiraka teny ihany ny tsy fetezana tamin’iny fifidianana vita iny, izay nilazany fa ny antsasamanilan’ny mambra ny birao politikany teto Antananarivo dia tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana sy tsy nahazo kara-pifidianana, toraka izany koa ny tany amin’ny faritra, ka nanentanany ny CENI-T mba hanarenana izany mba tsy hahavery zo ireo Malagasy tokony hifidy. Nomarihan’ny filohan’ny MTS fa tsy nametraka fitoriana mihitsy izy ireo. “Mila miala anaty krizy ny Malagasy, mila mandroso amin’izay ny Malagasy ary mila miverina amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena i Magasikara izay niantona noho ny fanonganam-panjakana sy ny krizy niniana novolena teto”, hoy i Roland Ratsiraka namarana ny teniny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.