Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana faha-39 tanterahina any Dar es Salaam any Tanzania ny Vondrona SADC (Southern African Development Community) ny 5 hatramin’ny anio 19 aogositra.
Nisy ny fivoriam-baomiera samihafa, ary namarana azy ny fivorian’ireo filoham-panjakana sy governemanta ao anatin’ny SADC. Niandefa taratasy misokatra tany amin’io rafitra io i Marc Ravalomanana, nanaovana tatitra momba ny toe-draharaha ara-politika eto Madagasikara, indrindra ny lafiny demokrasia, izay nitsanganan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM. Izy rahateo no lany ho filohan’io Rafitra ara-toekarena sy ara-politika iray SADC, ka tsy afa-miala amin’io i Madagasikara noho ny fisian’ilay antsoina hoe “Principe de subsidiarité”, izany hoe raha misy raharaha iray mahakasika an’i Madagasikara dia tsy maintsy mandalo amin’ny SADC vao miakatra amin’ny Vondrona Afrikanina, Firenena Mikambana,... Nampahafantarin’i Marc Ravalomanana ny toe-draharaha eto satria araka ny fanadihadiana navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena Freedom House ny taona 2018 dia voasokajy ho “firenena tsy mbola afaka” na « à moitié libres » i Madagasikara, izay zara raha nahazo isa 56/100. Na dia efa eken’ny Lalàmpanorenana aza ny fanoherana ary efa misy ny Lalàna 2011-013 tamin’ny 9 septambra 2011, dia nampahafantariny fa misy ny fikasana ataon’ny mpitondra mba hamerana sy hamatorana ny mpanohitra mba tsy ho afaka manao ankalalahana ny asany amin’ny fanovana io lalàna io, izay tsy nampiharina akory. Midika sahady ho fanamparam-pahefana ka atahorana ny mety hiafara amin’ny didy jadona eto amin’ny firenena, hoy ny tatitra. Miantso ny fikambanambe iraisam-pirenena izahay mba hanampy hatrany an’i Madagasikara amin’ny fametrahana ny tena demokrasia sy ny tany tan-dalàna ka samy handray ny andraikiny daholo ny hery velona eto amin’ny firenena, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.