Nanao fanambarana omaly ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM fa manamafy ho ren-tany ho ren-danitra fa ny fikaonandoham-pirenena izay hatao ka
hiantsoana ny rehetra tsy an-kanavaka dia fikaonandoha ho fanavotana maika sy ho fanorenana ifotony ny firenena. Ireto no zava-dehibe hatrehina miaraka, tsy hifanilihana, hanaovana adihevitra lalina, milamina sy mitombona tsara dia ny hoe ahoana no fomba, inona no fepetra entina hanarenana haingana ny fiainam-bahoaka? Inona no hatao maika mba hanadiovana haingana ny firenena fa vao mainka mitombo andro aman’alina ny tsy maty manota? Ahoana no atao mba hisy tokoa ny filaminana sy ny fandriampahalemana anatiny eto amin’ny firenena mba ialana amin’ny tebiteby lava tsy hahafaha-mamokatra? Ahoana no hanorenana ifotony ny demokrasia eto amin’ity firenena ity ka ho demokrasia mifanaraka tsara amin’ny fiarahamonina sy fomba fisainana malagasy no iaraha-mametraka? Ireo fitsipi-dalao rehetra, fototra iorenan’ny demokrasia no hiaraha-midinika. Isany ny lalampanorenana, lalam-pifidianana, lalana mifehy ny antoko, lalana mifehy ny serasera, fepetra fidinana an-dalambe, fivoriana an-kalamanjana, fampiasana trano sy fitaovam-pirenena ary ireo hafa maro. Heverinay fa tsy azo atao velively ny miroso amin’ny fifidianana raha tsy milamina ireo satria fifidianana hiteraka korontana sy krizy lalina mangitsokitsoka ka tsy hifankahitana indray no hiseho eto ka asakasak’izay maimay te hiroso amin’izany fa dia ho tompon’antoka tanteraka izy ireo. Manamafy ny RMDM fa tsy fitadiavan-tseza velively akory izao antsony izao. Ny mahamaika anay dia ny fanavotana sy fanorenana ifotony ny firenena aloha. Vita izany vao miroso amin’ny fifidianana ka izay lany eo dia ho hajain’ny rehetra ary ho lolohavina an-tampon’ny loha satria tena lanim-bahoaka ary tena hisy tokoa ny fahamarinan-toerana politika amin’izay. Mbola manana herintaona isika hiadian-kevitra sao re dia hanenenana, hoy hatrany ny RMDM tetsy Bel’air.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.