Nanao ny tatitry ny fidinana ifotony vitany tany Toliara omaly ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana Toliara,
Ny pasitera Edouard Tsarahame. Araka ny nambarana dia miisa 3 ireo toe-draharaha tena mampikolay ireo mponina any amin’ity faritra ity dia ny mikasika ny zava-niseho tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote farany teo no voalohany satria dia nahagaga ireo mponina, hoy izy, ny nahita ny fahalanian’ireo olona tsy nofidiany akory. Mamparary fo, hoy izy, ny ataon’ny CENI ary tsy mahasoa raha mbola atao letrezana ihany io fifidianana io. Amboary aloha ny lisi-pifidianana ary ataovy mazava ny sata mifehy ny fifidianana. Faharoa, mahagaga koa fa be loatra ny mpitandro filaminana sy olon-tsotra matin’ny basin’ireo dahalo. Avy aiza ireo fitaovam-piadiana ireo, hoy izy, ary mampametra-panontaniana hoe natao inona izany ireo fitaovam-piadiana nampahafantarina teny amin’ny CCI Ivato. Nanamafy izay voalaza izay moa ny sekretera jeneralin’ny RMDM sady mpahay lalàna iraisampirenena, Arlette Ramaroson, raha nilaza fa ny tenany manokana aloha dia tsy mbola nahita na Drone na Angidimby nisidina tany kanefa raha nampiasaina ireny, hoy izy, dia efa ripaka ireo dahalo. Fahatelo, farany, ny mikasika ny fitrandrahana Fasimainty ataon’ny orinasa Base Toliara. Tsy misy manohitra ny fampandrosoana an’i Toliara, hoy ny filohan’ny RMDM Toliara kanefa mampitaraina ireo mponina ny zava-mitranga ateraky ny fitrandrahana ka mangataka amin’ny fitondram-panjakana izahay hampiato io tetikasa io. Heveriko, hoy ny mpahay lalàna iraisampirenena, Arlette Ramaroson fa tokony hisy ny IEI na fanadihadiana momba ny voka-dratsy aterak’io orinasa io amin’ny tontolo iainana satria misy ny filazana fa tsy misy vokatra simika ao. Izany Zircon izany anefa, hoy izy, raha ny nambaran’ireo manampahaizana dia misy “Uranium” ary miteraka “Radioactivité” ka mitarika amin’ny fahasamponan’ireo zava-manan’aina manodidina ilay fitrandrahana. Izany, hoy izy, no antony nandavan’ny amerikanina ny fitrandrahana toy io. Ny Akoho lasa miisa 4 ny tongony, ny zaza teraka sampona sy ny loza hafa satria miparitaka io “Radioactivité” vao mikasika rivotra sy vovoka. Miangavy ny filoham-pirenena izahay, noho izany, hoy izy, Idio ny Base Toliara dia avy eo mijery izay fomba hanorenana azy toy izay hanao sorona ny vahoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.