Politique

Rodoben´ny Malagasy Toamasina “Voafatotry ny teniny ny FAT”


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2011

“Mijoroa ho sahy hanavotra ny firenena, marary i Madagasikara noho ny politika ny fanovana tamin´ny ratsy. Miseho ho anjely mantsy ny milaza azy ho mpitondra, nefa nanota lavitra noho ny hafa henjehina”.

Izay ny fanentanana nentina teo amin´ny Magro Tanambao V tao Toamasina ny sabotsy tolakandro teo. Ny filoha lefitra mpiara-mitantana ny Rodobe Toamasina, Me Rasamimaka Mahefalahy, dia nitondra fanazavana fa raha ny voarakitry ny fampiharana ny tondrozotra nosoniavin´ny mpanao politika teo imason´ny Troika sy ny SADC, dia rava avokoa ny rafitra najoro nialoha ny sonian´ilay tondrozotra, anisan´izany ny CT sy ny CST ary ny CENI. Fa ny tena zava-dehibe, hoy hatrany ny Me Rasamimaka dia “miverina tsy misy olana eto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana sy ny ireo sesitany politika tahaka ny amiraly Ratsiraka. “Be resaka loatra ny FAT ka voafatotry ny teniny izy ireo ankehitriny”, hoy izy.

Nahitsy kosa ingahy Robertson na i Sôlamena fa “mbola velona ny tompon´ny TIM sy ny Arema, ka raha tena lehilahy dia aza angalarina ny nantsangan´ny hafa, fa manorena antoko vaovao ianareo mpangalatra antoko ireo”. Na ny solontenan´ny antoko Teza, toy izany koa ny MFM ary ny Vondron´olon-tsotra dia samy nanambara fa leo politika ny Malagasy saingy fotoana hijoroana izao hanarenana izany politika maloto lasa nankaleo ny fanaovana azy izany.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT