Politique

Rodobe Toamasina Miomana hitsena an’i Dada sy Deba


  • Talata 25 Oktobra 2011

Nitohy ny sabotsy tolakandro teo tao an-tokotanin´ny Magro Tanambao V ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina.

 Na teo aza ny hevitra nifandiso araka ny fiheveran´ireo tanora mpianatra Barikadimy voafitaky ny mpikarakara ny hetsika tao amin´ny Kianja mitafon’i Soavita, ka tezitra nanakorontana sy nitora-bato dia nitohy tsy nisy olana ny fanentanana natao raha avy nanazava tamin´ireo andiana tanora mpianatra voafitaka ireto ny mpitari-tolona ao amin’ny Magro. Nambaran´ny mpanentana rehetra tao fa “sambo tsy nisy motera no saika nampidirana antsika teo, tsy niditra isika fa efa mailo.

Efa vonona ny tena sambo ara-dalàna izao, efa napetraka koa ny motera hampandehanana azy, ny mpitondra ny sambo sisa no andrasana, dia hisoro ny dia. Tsy adino koa ireo Injeniera sy amiraly hanoro sy hanara-maso ny diantsika, mba tena seranana tsara no hitodiana tsy ho ela”. Nohamafisin´ny Me Rasamimaka Mahefalahy filoha lefitry ny Rodobe Toamasina, fa “miomana dieny izao amin´izay isika rehetra hitsena an´i Dada sy i Deba ka mba tsy hisian´ny tampoka satria dia filazana ofisialy ny fiavian’izy ireo sisa no andrasana”. Ingahy Rabedason kosa no nanampy fa “tsy zakan-dry zalahy ny marina sy ny fahadisoana nataony tamin’ny fanovana nataony teto. Tsy hampiova ny marina ny fandratrana na ny fifofoana ny aiko”, hoy izy. Hetsika hafa kely kosa no nentin´ny Vondron’Olon-tsotra Toamasina nandritra ny sabotsy teo, izay nanaovan´izy ireo filaharana kely niainga teo amin´ny tranom-piantohana Ny Havana Tanambao V, nitondrany ny sarin´Atoa Ravalomanana sy ny sorabaventy niditra ny kianjan’ny Magro.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT