Politique

Rodobe Toamasina “Inona no tian´ny ambasadaoro Frantsay hatao ?”


  • Alarobia 02 Novambra 2011

Nisy akony hatrany Toamasina ny fihetsiky ny ambasadaoro frantsay, Jean Marc Chataigner, tamin’i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona Ravalomanana, tao amin’ny Colbert ny zoma 28 oktobra nialoha ny fanendrena izay ho praiminisitry ny marimaritra iraisana.

 Nibahana tamin’ny fandraisam-pitenenan’ireo mpitaritolona nandritra ny hetsiky ny Rodoben’i Toamasina tao amin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy teo izany. Nambaran´ny Me Rasamimaka Mahefalahy, izay tsy nitsitsy teny mihitsy, fa “inona no tena tian´ny ambasadaoro frantsay hatao eto amintsika ? Te hampihatra ny fahaizany manakorontana vitany tao Afrika ve izy sa te-handamina ny raharaha tahaka ny Sadc sy ny Troika ? Raha ny zava-bitany sy ny nambarany tamin´ny ankolafy Ravalomanana mantsy dia mahalasa saina ihany raha izany no atao hoe masoivoho aminy, fa tena mitsabaka tsy misy ohatra izany ny raharaha-pirenena ary manasoketa olona tsotra izao”. Nohamafisin´Atoa Rangitason (MFM) izany izay nilazany fa “ndao fa tsy mbola vita ny tolona, efa miseho masoandro izao ny dragona frantsay manageja antsika”. Atoa Andriamanana William, filoha lefitry ny Teza, koa dia nasiaka fiteny ka nanamafy fa “tsy hoe ny maha praiminisitra an´Atoa Omer Beriziky no tsy ankasitrahan´ny ankolafy Ravalomanana, fa ny fomba nanendren´ny filohan´ny FAT azy sy ny filazany azy ampahibemaso. Tsy hivaky ny Ankolafy telo sy ny rodobe satria iray ny tanjona, na eo aza ny teti-dratsin´ny Frantsay sy ny FAT handravana azy”.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT