Politique

Rodobe Toamasina Handray an-tanana ny olan’ny Kaominina


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011


 Fako, loto, fofona maimbo, fiangonan´ny rano maloto, ny fiainan´ny mponina ao Toamasina efa ho iray volana izao, vokatry ny tsy fandraisan´andraikitra ny FAT amin´ny fanapahan-kevitra nikasika ny olan´ny mpiasan´ny Kaominin´i Toamasina izay mitokona sy ny PDS izay efa naaton´ny mpanolotsaina monisipaly tamin’ny asany nefa tsy mihevitra ny hiala mihitsy, ka mahatonga ny olana vao mainka mihamafy sy mihahenjana. Vokany, ny mponina no mizaka ny vokany ankehitriny, izay ahiana hivadika aretina ato ho ato noho ny efa fiavian´ny orana tato ho ato izay. Nidiran´ny Rodobe lalina ny raharaha ny sabotsy teo nandritra ny hetsika nataon´izy ireo, ka nilazan´i Kotomanantsoa Rémi, filohan´ny Rodobe Toamasina fa “raha tsy handray andraikitra amin´ny raharaha ny Kaominin´i Toamasina ny FAT mialoha ny 17 novambra izao, dia horaisintsika ny andraikitra, hodiovintsika koa ny tanàna, mba hamerenana ny hasiny amin´ny maha kapitaly ekonomika azy tanteraka”. Nohamafisin´ny Me Rasamimaka Mahefalahy filoha lefitry ny Rodobe koa izany, ka nilazany fa “efa iarahana mitantana ny raharaha rehetra izao, ka raha tsy hahavita sy tsy hanao ny asa tokony hosahaniny ny Kaominina sy tsy mahavita mandray ny andraikiny ny fanjakana FAT io mialoha ny hitsanganan´ny governemanta hiarahana, dia aleo handraisantsika ny tanàna fa manana olona afaka hanao izany koa isika ary asehontsika fa miasa ho an´ny vahoaka ny Rodobe hatramin´izay fa tsy manao politika manampi-maso ny Malagasy fotsiny”. Ny tanora “TIM zanak’i DADA” avy eto an-drenivohitra moa no vahinin´ny Rodobe tao Toamasina ny sabotsy teo.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT