Ny masoandro mody no mampalahelo tao Magro Mahajanga ny sabotsy teo, nandritra ny hetsiky ny Rodobe tany an-toerana.
Na efa nilentika aza ny masoandro, tsy nisy niala fa dia mbola nitohy ny kabary sy ny fampizaram-baovao nataon’ny mpitarika sy ny mpiara-mitolona hiverenan’ny ara-dalàna any an-toerana. Midika io fa miha mafana ny hetsika fanoherana izao endri-pitondrana izao ao Mahajanga. Niditra an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo nanazava ny fipetraky ny raharaham-pirenena sy ny dingana famahana ny krizy nandritra io hetsika io rahateo ny filoha Marc Ravalomanana. Nisy koa solontena avy aty an-drenivohitra, nahitana an’ny depiote Rodin Rakotomanjato, Ralaiseheno Guy Maxime ary ny pastera Edouard Tsarahame, nidina nanatevina ny hetsika tany an-toerana. Ireto farany izay namaky bantsilana ireo fisolokiana anarana sy andraikitra ataon’ireo nisintaka ka niara-dia amin’ny FAT. Ny pastera Edouard kosa no nampahatsiahy fa nitory an’i Andry Rajoelina i Dada fa nanongam-panjakana, torian’ny Pr Zafy koa izy noho ny raharaha “bois de rose” sy ny fitantanana tsy mazava momba ny volam-panjakana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.