Rocco Andriamiarisatrana

> Kandidan’ny soa iombonana


  • Alatsinainy 11 Novambra 2013

Niseho vahoaka voalohany teny amin’ny Pavillon Satrana – Vinany ny sabotsy 09 novambra lasa teo i Rocco Andriamiarisatrana, izay kandida solombavambahoaka ho an’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano sy ireo efatra mianadahy mpiray lisitra aminy.

Tena endrika vaovao eo amin’ny tontolo politika raha ny fahitana ity kandida iray ity. 42 taona ny lehilahy, nianatra momba ny fitantanana hotely sy ny fanaovana sakafo sy ny fitantanam-bola tany Frantsa izy, ary tale jeneralina orinasa ankehitriny. Raha ny fianarana norantoviny dia afaka niasa amina orinasa manana ny maha izy azy tany ivelany i Rocco, saingy nanapa-kevitra ny hiverina teto Madagasikara izy mba hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona aminy sy ho fampandrosoana ny fireneny. Maro ny zavatra efa nosedrainy niaraka tamin-dramatoa vadiny teo amin’ity sehatry ny fandraharahana ity satria dia efa niharam-boina sy maty antoka noho ny krizy politika nifandimby(2002-2009) teto izy ireo. Tsy nahasakana ny hetaheta hikatsaka ny soa iombonana anefa izany fa toa vao miha aza nanetsika ny hambom-po, rehefa misy olana dia tsy maintsy misy foana ny vahaolana, izany no anisan’ny foto-kevitra ijoroan’i Rocco Andriamiarisatrana ary efa nampitaina tamin’ireo mpiara-miasa aminy rehetra. Resy lahatra ny ho kandida solombavambahoaka ny tenanay, hoy izy satria tsapa fa tena anisan’ny mampikatso ny fampandrosoana eto Madagasikara ny resaka lalàna. Misy lalàna maro be fa tsy ampiharina, misy ny lalàna tokony hoforonina kanefa tsy atao, misy ny lalàna efa tena lany andro kanefa tsy havaozina. Tsy afaka mirindra anefa ny asa fampandrosoana raha tsy misy ny fanjakana tan-dalàna. Herintaona lasa izay dia namorona ny fikambanana Ezaka Atsimondrano i Rocco Andriamiarisatrana, fikambanana izay manao ho laharam-pahamehana ny fanabeazana sy fampianarana, ny fanabeazana ny maha olom-pirenena, ny fihavanana ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Efa mielipatrana amin’ny Distrikan’Atsimondrano ity fikambanana ity ary an’arivony ny tanora efa nahazo tombontsoa taminy. Nanome toky i Rocco Andriamiarisatrana mitarika ny lisitra Rocco-Rarivo fa tsy misy mpanao politika misoavaly azy fa tena ny fikatsahana tokoa ny soa iombonana ifotony no nanosika azy ho kandida solombavambahoaka.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT