Robinson-Rajaonarimampianina

> Hifandahatra indray rahampitso


  • Talata 10 Desambra 2013

Hotanterahana eny amin’ny hotely Carlton Anosy rahampitso alarobia 11 desambra ny adihevitra faharoa ifanatrehan’ireo kandida mirahalahy izay hifaninana amin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena.

Ny resaka diplaomasia indray no lohahevitra hanehoan’Atoa isany Robinson Jean Louis sy Hery Rajaonarimampianina ny fandaharanasany avy amin’ity indray mitoraka ity. Fanontaniana lehibe mahafaoka ny adihevitra ny hoe : mety hanao ahoana ny ho toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aorian’ny fifidianana ? Rtoa Randriamampianina Niry, talen’ny TVM sy ny jeneraly Andriamisa Ramihone Amédée mpampianatra momba ny Science politique no hanentana ny fandaharana sy hametraka ny fanontaniana ihany koa. Tahaka ny mahazatra dia alefa mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana dia ny RNM sy ny TVM ity adihevitra ity rahampitso alarobia manomboka amin’ny 8 ora alina. Raha ny fampitam-baovao avy any amin’ny CENI-T dia hanatrika ity adihevitra eny amin’ny Carlton ity ireo olo-manankaja miasa amin’ny sehatry ny diplaomasia sy ny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena eto amintsika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT