Robinson Jean Louis - Rajaonarimampianina Hery

> Niatrika adina am-bava nanoloana ireo mpandraharaha


  • Zoma 15 Novambra 2013

Nanana ora iray sy sasany na 90 minitra avy ireo kandida roa hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny zoma 20 desambra 2013 namelabelarany amin’ny ankapobeny ny tontolon’ny toekarena misy eto Madagasikara sy ireo asa mivaingana avy hatrany hotanterahan’izy ireo miaraka amin’ny mpiara-dia sy mpanohana azy ireo hamerenana amin’ny laoniny ity sehatra fanoitra lehibe ho an’ny firenena ity ka hitondra fampandrosoana maharitra ho an’ny vahoaka miaina ao.

Karazana adina am-bava ihany ity natrehin’ny kandidan’ny Avana Robinson Jean Louis sy ny kandidan’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara Rajaonarimampianina Hery teny amin’ny hotely Carlton Anosy omaly alakamisy 14 novambra 2013 ity. Ireo solontenan’ireo Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria vahiny miasa eto Madagasikara mantsy no niandraikitra ny fametrahana ireo fanontaniana miisa 11 tamin’izy mirahalahy tamin’ny fiteny frantsay ary tsy maintsy novaliana tamin’ny fiteny frantsay ihany koa. Voaresaka tamin’izany ireo fepetra horaisin’izy ireo ho famerenana ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola, ny ady amin’ny kolikoly manjaka eo anivon’ny fitantanam-panjakana, ny tontolon’ny hetra sy ny tataon-ketra takiana amin’ireo orinasa, ny fanaraha-maso ny fadintseranana, ny olana eny anivon’ny fitsarana Malagasy, ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo tantsaha maro an’isa, ny politika fampiroboroboana ny orinasa Malagasy, ireo lesoka ara-potodrafitrasa, ny fitotongan’ireo orinasam-panjakana ary ny fanatsarana ny endriky ny fizahantany eto Madagasikara. Raha ny zava-nisy teny an-toerana aloha dia sakamalao sy havozo tokoa ireo mpifaninana ho filoham-pirenena mirahalahy ireto satria samy nanana ny hanitra ho azy na tamin’ny fomba famaliana ireo fanontaniana na koa tamin’ny fihetsika namaboana ireo olo-manan-kaja nanatrika ity fihaonana ity. Amin’ny maha resaka ara-toekarena azy moa dia nibahana tamin’ny fanazavana nentin’ireo kandida roa ireo betsaka ny lafiny ara-tarehimarika.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT