Roa volana katroka omaly 28 desambra 2025
no niasan’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Fametrahana ny fototra ahafahana miroso amin’ireo dingana tsy maintsy handalovana mitondra mankany amin’ny fanovana no tsapa fa tena nimmasoana tao anatin’izay 60 andro izay.
MISY ASA TENA MAIKA
Mazava ho azy fa tsy maintsy nojerena faran’izay maika ary napetraka ambonin’ny lahharampahamehana rehetra ny famahana amin’ny fohy ezaka, antenantenan’ezaka ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano manerana ny nosy. Misy ihany koa ny fanohizana sy famelomana ireo tetikasa laviitrezaka tahaka ny fanorenana toho-drano ahafahana mamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny rian-drano ohatra. Azo ambara hoe tena nihena ny delestazy, ny miteny hoe tsy misy intsony mandainga fa hita kosa anefa hoe nisy ny ezaka natao nikarohana vahaolana mba hampihenana ny fahatapahan-jiro lava niainana tamin’ny fitondrana teo aloha izay tena nanimba fihariana sy nanakorontana ny fiainam-bahoaka.
TSY MAINTSY ATAO NY FANADIHADIANA ALOHA
Manaraka izay ny fanadiovana, fitsirihana ary fanarenana. Resaka fitantanana ny raharaham-panjakana no tian-kambara eto.Eny misimisy ihany ireo fanesorana olona sy fanendrena olona eny anivon’ny minisitera sy sampandraharaham-panjakana maro samihafa eny. Tsy tokony atao mahagaga satria rehefa vita ny fanadihadiana di misy fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina, hoe iza no manao inona. Mbola mety ve ny hitazonana ny olona iray sa tsia sa ve omena andraikitra hafa izy. Tena hentitra izao governemanta ankehitriny amin’ny fanatanterahana ny toromariky ny praiminisitra : tsy maintsy alefa ny « audit » aloha hitsirihina sy hanadihadiana ny fomba fitantanan’ireo tompon’andraikitra teo aloha. Miasa mafy ao amin’izany ny Inspection générale de l’état na IGE sy ny « cour des comptes » ; fantatra fa 100 eo ho eo ny fanadihadiana mandeha amin’izao fotoana, mety mbola hiampy aza ireo. Ka ny vokatry ny fanadihadiana no hahafantarana avy eo hoe iza no antsoina hangataham-panazavana, iza no tsy maintsy hanaovana fanadihadiana eny amin’ny mpitandro filaminana, iza no tsy maintsy hanaovana fisavana trano fonenana, iza no samborina …any amin’ny fitsarana indray ny tohin’ny raharaha avy eo.
MILA VOKATRA
Mbola manarina aloha izahay izao fa tsy manorina hoy ny praiminisitra nanoloana ny solombavambahoaka. Manarina ny fitantanana gaboraraka sy tsy araka ny tokony ho izy nataon’ny fitondrana Rajoelina.Tsy maintsy alamina tsara ny kianja vao afaka manomboka lalao vaovao ; misy fomba fiasa araka ny lalàna mila ampatsiahivina ireo mpiasam-panjakana izay mpiasam-bahoaka. Tsy maintsy misy vokatra ny asa atao fa tsy hoe ataotao fotsiny satria handraisan-karama. Raha misy ny tsy mety dia ahitsy, tsy azo ekena ny kolikoly ary tena hentitra ny fanarahamaso momba an’io. Mazava ho azy tsy maintsy hisy fepetra ho raisin’ny fitondram-panjakana manoloana ireo tompon’andraikitra mihisatra vao nahitam-bokatra na tsy nahitam-bokatra mihitsy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.