RMDM

“Miantso ny vahoaka ho sahy hijoro…”


  • Zoma 15 Septambra 2023

Miantso ny Governemanta Frantsay izahay mba handray fepetra amin'ny olony fa manankorontana ny Firenenay.

Miantso ny Kandidà rehetra mba hiray hina tsy hanaiky ny fanonganam-panjakana anatiny ataon'ny Governemanta sy fandikan-dalàna ataon'ny HCC, ary tsy fahamarinana sy tsy fangararahana ataon'ny CENI. Miantso ny Mpiasam-panjakana rehetra mba tsy hitanila amin'ny hevitra politika amin'ny fanatanterahana ny asany: Ny mpitsara, ny foloalindahy, ary ny administratera sivily. Miantso ny vahoaka Malagasy mba ho sahy hijoro hatramin'ny farany hametraka ny tany tan-dalàna sy ny fahamarinana eto amin'ny Firenena”, hoy ny Fanambaran’ny RMDM omaly manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Nampahafantarin’io Rodoben’ny mpanohitra io, fa misy ihany koa ny fiovana anatiny eo anivon’ny RMDM eo anatrehan’ny fiatrehana fifidianana. Noho ny maha kandida ny Filohan'ny RMDM Atoa Marc Ravalomanana mantsy dia nanapa-kevitra ny tenany sy ny Birao Politika fa hametraka ny fitantanana amin’ny Mpandrindra Nasionaly, ka voafidy tamin’izany I Pasitera Tsarahamé Edward. Misy kandida ho filoham-pirenena miisa roa ao amin’ny RMDM izay atolotry ny Antoko TIM sy HVM dia Andriamatoa Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Tapaky ny fivorian’ny RMDM anefa, fa malalaka ny Antoko tsirairay sy ny mpikambana manerana ny Nosy avy hisafidy amin’ireo Kandida ireo. Tsy azo atao kosa ny manohana ny manohana kandida hafa, ary izay hita fa manao izany dia manala ny tenany tsy ho mpikambana amin'ny RMDM, hoy ny fampahafantarana. Nanamafy ny RMDM fa mbola manohy ny asa fanoherana izay nataony hatramin'izay satria hita fa mikorosy fahana ny fiainan'ny firenena noho ny tsy fahaiza-nitantana sy ny fandikan-dalana maro samy hafa izay mpitondra : fandikana ny lalampanorenana, kolikoly, tsy fandriam-pahalemana, fiakaran'ny vidim-piainana, fahantrana lalina, delestazy,... hoy izy ireo. Tsy eken'ny RMDM ny olona manana zom-pirenena vahiny hitondra an’i Madagasikara, tsy ekena ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana sy ny lalâna velona eto amin'ny Firenena toy ny ataon 'ny Governemanta sy ny HCC amin'izao, hoy ity Rodoben’ny mpanohitra ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT