RMDM

I Siteny indray no ho Filoha ? Hatramin’ny taona 2023, izay taom-pifidianana filoham-pirenena malagasy farany teo,


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

no tsy nanana filoha intsony ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM

satria kandida ho filoham-pirenena ny filoha nitantana azy farany nandritry ny 5 taona, Marc Ravalomanana. Hatreto aloha dia ny filoha lefitra misahana ny faritanin’i Toliara, Edouard Tsarahame, izany no mpitondra teny sy mampandeha ny raharaha vonjimaika, raha ny fampitam-baovao voaray farany. Adihevitra mandeha etsy ankilan’izany ny maha tsara toerana ho filohan’ny RMDM ny filoha lefitra faha 7 eo anivon’ny antenimierampirenena ankehitriny, ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko. Ity farany moa izany no lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny antenimieram-pirenena ary filoha mpiara-mitantana ny vondron’ny mpanohitra Firaisankina miaraka amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana ihany koa. Manana mpikambana maromaro ao anatin’izany RMDM izany rahateo ny Pro Siteny izay tarihiny ary misy amin’izy ireo mihitsy aza moa no kandida ho ben’ny tanàna amina kaominina samihafa amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT