RMDM

«Foano iny fifidianana iny, esory ny Filoham-pirenena »


  • Zoma 14 Jona 2024

Tsy fifidianana no natao teto fa fangalaram-bato, ary tsy mbola fahita tao anatin’ny 60 taona, hoy ny RMDM,

manoloana ny fifidianana depiote. Nanamafy, fa mitana ny hevitra niraisany tamin’ny Collectif des candidats momba ny fanadiovana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanoloana ny CENI sy HCC. Vita ny fifidianana solombavambahoaka, saingy tsy nahomby ny CENI! Fifidianana feno hosoka satria samy milaza na ny mpanohitra, na ny avy amin'ny Fitondrana, na ny tsy miankina fa nisy hala-bato, nisy bileta voamarika mialoha,… Mangataka amin’ny HCC hanafoanana iny fifidianana iny ka fifidianana tena madio tsy misy hosoka no atao atao eto Madagasikara, hoy ny RMDM tamin’ny alalan’i Tabera Randriamanantsoa. Niantso ny fanonganana ny filoham-pirenena amin’ny alalan’ny "empêchement" ihany koa izy ireo satria nandika lalàna tamin’ny fitetezam-paritra nanohana mivantana kandidam-panjakana, ary isan'ny voalohany tokony hofoanana ny vaton'ireo kandida tany amin'ireo toerana nalehany, hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa. Naneho izy ireo fa manohana ny nambaran’ny Firaisamonim-pirenena Safidy teo anatrehan’ny fitanilan’ny filoha, ka tokony hampiharina ny « empêchement » satria filoha manitsakitsaka lalàmpanorenana ary tsy Malagasy ka tsy miraharaha ny lalàna eto, hoy hatrany io Minisitra teo aloha io. Nilaza kosa ny Pasitera Edouard Tsarahame, niainga ny zavatra hitany tany Toliara nialoha sy nandritra ny fifidianana. « Mandainga ny CENI raha milaza fa mahaleotena. Porofo miharihary no hita satria ny kandidam-panjakana nanao propagandy tamin'ny tobin'ny zandary ny kandidam-panjakana, namory ny mpikamban'ny CENI isaky ny birao fandatsaham-bato, namory sefom-pokontany rehetra,... fa nijery fotsiny ny HCC sy ny Lehiben’ny distrika », hoy ity mpitarika ny RMDM ity. Sady tsy mahaleo tena no miandany ny CENI, raha ny nambaran’ity farany. Nitombo ny voka-pifidianana, ambany ben y vato azon’ny kandidam-panjakana ka lasa adidin’ny CENI ny mampitombo izany, ary betsaka ny porofo aty aminay raha mitady izy, hoy ity farany. Raha efa nampian'ny CENI Toliara 1000 ny vaton'ny kandidam-panjakana tao Toliara, dia mbola nampian'ny CENI Foibe 1000 indray ihany koa ka inona ity ataonareo ary mitady inona ? hoy i Pr Edouard Tsarahame. Tsy hanaiky ny fanaovana ny safidiny ohatr’izany ny olona, ary terena ho olona tsy voafidiny no hitondra azy, ka tokony holazaina fa depioten’ny CENI fa tsy depioten’ny Malagasy. Niantso ny Vovonana Firaisankina sy ny KMSB tsy hihemotra ary vonona ny hiady ho an’ny safidim-bahoaka noho izany ny RMDM, ary tsy azo ekena intsony ny tsy fahamarinana sy fandikan-dalàna lava diso tafahoatra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT