Nanao hetsika ireo RMDM Diaspora ny sabotsy teo. "Miara ory amin'ny vahoakan'Ikongo, Rajoelina incompétent, Miala Rajoelina, Rinah R.
en prison, any am-ponja no mendrika ny mpangalatra,...". Ireo no isan'ny sora-baventy nirantiranty nataon'ireo Diaspora avy amin'ny mpanohitra tarihin-dry Fanirisoa Ernaivo tany France. Mitohy mazava ho azy ny fanehoan-kevitra mahery vaika, fanakianana sy fitsikerana Fanjakana. Ny setriny avy aty amin'ny mpitondra ankilany, dia hoe: modia an-tanindrazana raha sahy. Iaraha-mahita anefa ny zava-misy eto, fa raha aty no manao hetsika tahaka ireny mety any Tsiafahy na Antanimora vao mijanona. Misy lanjany iraisam-pirenena ny hetsika tahaka itony, ary hiteraka endrika ratsy hatrany ho an'ny fitondrana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.