RMDM, 5 taona nanoherana

« Hamafisina ny tolona, tsy maintsy handrombaka fahefana …»


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Nanamarika ny faha-5 taona katroka nijoroany ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia

eto Madagasikara na ny RMDM ny sabotsy 10 aogositra teo. Nanamafy fa mbola tsy vita ny tolona, mbola latsaka an-davaka anaty fahantrana ny Malagasy. Tsy hijanona amin’ny RMDM fa hanao izay hampatanjaka ny mpanohitra rehetra izay mitovy hevitra satria tena iaraha-mahalala ny fahasahiranana sy ny fampijaliana ary famiravirana ny tanindrazana, hoy ny Filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana. Nilaza hanamafy ny politika sy ny stratejia hoenti-manamafy ny fanoherana izy ireo, ka hanangana ny antsoina hoe : « cabinet sados » hanangona ireo manam-pahaizana, koa miantso ireo izay mbola tsy ao anatiny ny eo anivon’ny fanoherana mba hifampidinika sy hisokatra. Naneho i Marc Ravalomanana fa ao anatin’ny antoko iray dia misy ny « activiste », « militant », « leader », « sympathisants ». Rodobe ny RMDM fa tsy iray, ka misy avokoa ireo sokajy ireo, ary samy mipoitra amin’ny ilàna azy tsirairay. Nanitrikitrika fa mpitondra mpandika lalàna no misy eto, mitovy avokoa ny fitsarana ny lalàmpanorenana, fa ny eto amintsika tena zava-doza no miseho. Na faingo iray aza tsy azo hesorina na hanampiana, kanefa ny governora izao vonjimaika, dia io najanona amin’io io, dia vonjimaika ihany koa izao ny governemanta, dia vonjimaika ny ben’ny tanànan’Antananarivo kanefa tsy hita ihany koa ny PDS ka vonjimaika ihany koa ny ao,… tena kitoatoa, hoy ny Filoha teo aloha. Efa volana maro no tsy misy governemanta ara-dalàna, kanefa mbola mahavita manao didim-panjakana, ka manaonao foana sy manao kitoatoa, mamiravira Firenena. Nanamafy fa tsy mankatoa ny fitondrana misy satria tany amin’ny fifidianana ny 06 novambra dia efa amboletra, olona tsy Malagasy no mitondra,… Mbola manaonao foana mandroaka ambasadaoro vahiny, ka very firenena 27 isika, tsy hisy zavatra handeha raha tsy miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka aloha izao satria ny 87% amin’ny vola eto avy amin’ireo. Tsy fantany akory ny hoe : fampandrosoana ? Tsy nitsitsy io Filoha teo aloha nilaza fa tany am-piandohana no efa fantatra fa hanao kitoatoa, tsy matotra, ka sady tsy mahay no tsy mahalala ary tsy mahavita. Tamin’izany no efa nandika lalàna sy lalàmpanorenana tamin’ny fifidianana feno hosoka. Tapaka ny hevitra fa hatao izay handrombahana ny fahefana, aza manantena fa ho voaova izao zava-misy izao raha tsy miova izao, ka ny fanoherana dia mivonona hatrany hitondra fanovana sy fijery vaovao sy rivo-baovao ho an’ny Firenena, hoy ny RMDM.

Mikasika ny haha kandida azy na tsia ho ben’ny tanànan’Antananarivo, dia mbola tsy nanome valinteny mazava i Marc Ravalomanana na dia nilaza fa voaray ny antso ary tsy hiamboho adidy. Mbola eo am-pandinihana tsara anefa, ka hilaza ny fanapahan-keviny rehefa tonga ny fotoana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT