Fantantsika araka ny didy nivoaka fa 63 no ho isan’ireo Senatera ho avy, hoy ny depiote Rivotiana Richard Jean Bosco avy any Lalangina izay filohan’ny vaomieran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ka ny 21 amin’ireo tendren’ny filoham-pirenenana ary ny 42 dia ho fidian’ireo mpifidy vaventy.
Nihena izany raha ampitahaina tamin’ny isan’ireo Senatera taloha nefa tsy dia ny isa no zava-dehibe fa ny vokatra hoentin’izany rafitra izany sady mbola eo koa ny depiote miisa 151 ka mifameno ny asanay ireo amin’ny fandaniana ny lalàna hatolotra anay ireo. Ny amin’ny hoe fisian’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpanao lalàna roa tontsa dia efa nahazatra hatrizay fa ny depiote no tompon’ny teny farany. Ny anay vondrona parlemantera HVM moa ny amin’izany fanolorana olona ho fidiana ho Senatera izany dia hifanarahana amin’ny komity foiben’ny antoko ny fanendrena izay ho kandidà. Fa ny tiako hitondrana fanazavana etoana dia ny resaka fitakiana vola 2 miliara sy fitakiana 4 x 4 novoizin’ny depiote filoha lefitry ny Faritanin’i Mahajanga. Efa nohazavaiko tamin’ireo namana fa ny depiote dia fahefana mpanao lalàna sy mpanara-maso fa tsy fahefana mpanatanteraka sy mpikirakira vola noho izany dia ny fampitomboana ny vola eny amin’ny fitsinjarampahefana amin’ny faritanyn Faritra, distrika sy ny kaominina no hitovian-kevitra hiara-hiadiana fa tena samihafa izany fitantanana ny vola 302 tapitrisa iraim-bilanja tamin’izany fotoana izany sy ny resaka decentralisation napetraka sy iainana ka any ny depiote no miady fa sady mpanolontsaina rejionaly izy mantsy no mpanolontsaina provinsialy ankoatra ny maha-depiote azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.